27 taona nahamay ny Rova – Mbola mitohy ny famerezan-kasina ataon’ny fitondrana Rajoelina

Ny Valosoa

Feno 27 taona tamin’ny alahady 06 Novambra 2022 lasa teo ny nandorana ny Rovan’Antananarivo, ny alatsinainy 06 Novambra 1995 no may io Rova io, ampitson’ny nanaovana ny fifidianana ben’ny tanàna nanerana an’ i Madagasikara. Razanamasy Guy Willy no voafidy ho ben’ny tanàna teto Antananarivo Renivohitra tamin’izany.

Niolomay i Madagasikara manontolo raha nandre, fa may ilay Rova reharehantsika malagasy, tsy ny teto an-toerana ihany fa hatramin’ireo mpiray firenena tamintsika nielim-patrana nanerana an’izao tontolo izao.

Alahelo, hatezerana, hakiviana izany no nifamahofaho tao an-tsain’ireo manam-panahy, teraka ihany koa ny hafanampo amin’ny endriny samihafa ary nivoaka avokoa izao karazana fanamby rehetra izao, ka samy nivoady izay nahazo fitenenana fa hanao izay tratran’ny heriny amin’ny fanarenana ny Rova.

Maro ireo fikambanana nijoro, nanokatra kaonty tany amin’ny banky, nampanao fitia tsy mba hetra hanarenana ny may, saingy toa nahery amboalohany ny sasany, fa tsy hita izay nafitsony taty aoriana, hany ka lasa vazivazy sisa ilay fomba fitenenana hoe : “ manomeza kely hanarenana ny Rova “.

Ny taona 2002 no voafidy ho Filohan’ny Repoblika Ny Filoha Ravalomanana, nanapa-kevitra ny fitondrana notarihany, fa hajanona aloha ny fanangonambola amin’ny fanarenana ny Rova, natsahatra ny fandrotsaham-bola, ny asa fanarenana rehetra koa niato avokoa afa tsy ny tao amin’ny Fiangonana Tranovato Anatirova, izay nahazo famatsiambola avy amin’ny “LMS” na “London Missionary Society” avy Angletera, ka ny taona 2003 dia efa tafarina ny fiangonana.

Ny taona 2005 nahafeno folo taona katroka ny nahamay ny Rova, no nanambara ny fitondrana notarihan’ny Filoha Ravalomanana, fa atomboka amin’izay ny fanarenana ny Rova, natsangana ny Filankevipirenena momba ny vakoka na “Cnp”, ka Mejamirado Razafimihary no voatendry ho tale, ny Sabotsy 05 Novambra 2005 folakandro no notanterahina ny fotoampivavahana nitondrana ambavaka ny fanarenana tao amin’ny Fiangonana Tranovato Anatirova, nanatrika sy nanome voninahitra izany ny Filoha Ravalomanana, nandritra izany fotoambavaka izany no nanambaran’ny Filoha Ravalomanana fa atomboka amin’izay ny fanarenana ny Rova, ary ny “ Cnp “ ihany no manana fahefana hanangombola, ka ireo vola tany amin’ny kaonty hafa dia nafindra tao amin’ny kaontin’ny “Cnp” avokoa.

Nihazakazaka nanao tsiombialoha ny rehetra nandrotsaka izay foiny, samy nandray anjara avokoa ireo olontsotra teratany na mpiavy, ireo orinasa malagasy sy vahiny, hatramin’ireo masoivoho sy fikambanana iraisampirenena dia samy niara-nientana avokoa, mazava ny anton’izany, nahatoky ny mpitondra ireo tsara sitrapo na ny mpiray firenena amintsika, na ny ireo avy any dilambato. Ny asa fanarenana nandeha araka ny tokony ho izy ny fitantanana tao anatin’ny mangarahara tanteraka.

Saingy indrisy fa nisy ny fandrobana fahefana nataon’Ingahy Rajoelina sy ny forongony, nahavoatery ny Filoha Ravalomanana niala teo amin’ny fitondrana, nanomboka teo dia nihena ny risipon’ireo mpanao fitia tsy mba hetra, ary azo lazaina hoe tsy nisy intsony ireo mpandrotsabola, satria tsy natoky ny fitondrana azo tamin’ny tsy ara-dalàna na ny malagasy na ny vahiny, ny fanarenana koa tsy nandeha araka ny tokony ho izy, ny zava-doza aza: vao mainka zavadoza no nitranga nandritran’ny fitondrana tetezamita, satria very ny satroboninahitry ny Mpanjakavavy, tsy mbola hita hatramin’izao, kanefa nambaran’ilay manamboninahitra fa efa fantany hono ny nangalatra ilay satroboninahitra, may ihany koa ny Rovan’ Ambohidratrimo, sy ny fasan’ny Mpanjaka teny Ambohimalaza, nandritra ny tetezamita avokoa izany. Nilamindamina ny fanotana fady nandritra ny fitondrana Rajaonarimampianina, fa nony niverina teo amin’ny fitondrana indray ny filoha amin’izao fotoana izao taorian’ny taona 2019 dia zava-doza no niseho, satria natsangana tao Anatirova, ny “ Colisèe”, izay fotodrafitrasa tsy mifanaraka amin’ny tantara, raha tsorina dia fanotana fady tsotra izao.

Ny 06 Novambra 2020 nahafeno 25 taona katroka ny nahamay ny Rova dia niedinedina Ingahy Filoha nitarika ny lanonana, izay indrisy fa nisy ny havana avy any amin’ny faritra no tratran’ny tsy fahasalamana tampoka nanditra ny lanonana teny Anatirova ary niafara tamin’ny famoizana aina izany, tsy sahin’Ingahy Filoha notokanana ny “ Colisèe “ tamin’io 06 Novambra 2020 io, kanefa koa hatramin’izao tsy mbola narodana na nongotana tao, fa mbola ao. Tsy vitan’izany, fa mbola mitohy hatrany ny famerezankasina, ka ny Manampisoa lapa naorin’ny Mpanjakavavy Rasoaherina sy ny Tranovola lapa naorin’ny Mpanjaka Radama I indray, no anehoan’ny fitondrana ny tsy fahaiza-miaina, satria ny vakoka raha ny tokony ho izy dia tsy azo ovana ny endriny ary ny akora nampiasaina teo aloha ihany no tsy maintsy averina amin’ny fanarenana, saingy tsy izay no misy ao Anatirova ankehitriny, fa ny mifanohitra tanteraka.

Ny tena mampatahotra fatratra dia ny fihetsik’Ingahy Filoha Rajoelina, izay sodokan’ny zava-bahiny, tsy menatra akory izy milaza ny hanafatra ireo biby avy any ivelany, izay fantatra fa biby arovan’ny mpitondra any amin’ny firenena misy azy, kanefa ny omby na ny barea harenantsika malagasy aza tsy vitan’ny fitondrana ny miaro azy amin’ny asan-dahalo? ka azo eritretina fa mety mbola hiteny koa Ingahy Filoha hoe atao mitovy endrika amin’ny “Chateaux de Versailles“ na “Musée du Louvres” ny ao Anatirova.

Isika malagasy no tompon’ny Rova, noho izany adidintsika ny mijoro manohitra ny famerezan-kasina ataon’ireo mpitondra efa ho lany daty tsy ho ela ireo.