Fitondrana Rajoelina – Tsy mampisongadina azy ireo zava-maro nampanantenaina tsy vitany

Andry Tsiavalona

Niteraka resabe ilay « forum » teny amin’ny CCI Ivato satria tany amboalohany dia nolazaina fa fampahafantarana ny PEM no natao, kanjo rehefa tamin’ny fotoana farany dia niova ho fiantsoana ireo mety hamatsy vola amin’ny fanatanterahana ny programa. Na izany na tsy izany dia nanaitra ny nahita omaly ny lohatenin’ny gazety mpiseho isanandro manohana ny fitondrana mitanisa ny alakamisy lasa teo, ireo « tetikasa mampisongadina » ny fitondrana Rajoelina Andry.

Iaraha-mahalala anefa fa tsy vao izao no nieboebo izao fitondrana izao, ka nilaza fa hanao izay tsy vitan’ny fitondrana nandritra ny enimpolo taona ao anatin’ny dimy taona. Saika nisongadina Rajoelina Andry raha niainga tokoa ny « IEM », fa tsy niovaova ny anarany isaky avy nanonofy izy. Efa nisongadina ihany koa izao fitondrana izao raha novitainy tao anatin’ny fotoana noferany ny « velirano 13 ». Nety nisongadina Rajoelina Andry raha tsy « vato fehizoro » efa napetraky ny fitondrana teo aloha ary efa nahazoana tetibola hanatanterahana azy no niverenany nametrahana « vato fototra » indray. Tsy nampisongadina azy ny nitokanany ity Làlampirenena 5 bis mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar ity, satria fitohizan’ny raharaham-panjakana izany.

Tena mety nisongadina tokoa Rajoelina Andry, tsy teto an-toerana ihany fa eran’izao tontolo izao, raha nahomby araka ny niheverany azy, ka nanasitrana na niaro ny vahoaka tany amin’ireo firenena nandefa fiaramanidina manokana naka izany ny CVO. Saingy indrisy, tsy araka ny niheverana azy izany CVO izany. Natsangana antsokosoko ny « Colisée » ao amin’ny Rovan’i Manjakamiadana, ka tena nanao ny tsy vitan’ny fitondrana tao anatin’ny enimpolo taona tokoa, raha toa ka neken’ny mpandala ny soatoavina sy ny vakoka manerana an’i Madagasikara ny nananganana azy.

Tsy azo adinoina ireo fotodrafitrasa manarapenitra nampanantenain-dRajoelina Andry toy ny sekoly sy hopitaly kanefa dia nolokoina volon-daoranjy fotsiny izy ireny, na raha nitsangana tokoa dia efa vakivaky sahady ny rindrina na fitaovana nalaina tatsy sy taroa no ao anatiny, ka tsy hita intsony rehefa vita ny fitokanana. Vita tsara ny « rocades » entina manamaivana ny fitohanan’ny fiara eto an-drenivohitra ary notokanan-dRajoelina Andry, kanefa tsy tsapany sy ireo mpomba azy, fa raha nahay nanetry tena izy ka nanambara fa fitohizan’ny asa ihany no nataony, satria efa tetikasan’ny fitondrana teo aloha ireo dia nisongadina izy. Efa nisosa tamin’itony làlana vita itony ny “Gasy Car”, raha tafatsangana ny ozinina nanamboatra azy, ka nampisongadina bebe kokoa noho i Andriamalagasy Rabearivelo tale-jeneralin’ny « Imi », izay nanao ny fiara Karenjy i Rajoelina Andry, saingy, ny te-hanana tsy hahaleo ny ambinina.

Te-hiavaka amin’ny rehetra ny fitondrana Rajoelina Andry ary tena tanteraka tokoa izany, saingy teo amin’ny lafiny ratsy izany, ka ny fahafaham-baraka teo amin’ny sehatra rehetra no nampisongadina azy. Izay manetry tena tokoa no hasandratra fa izay manandratena no hahetry”. Tsy mahay manetry tena Rajoelina Andry sy ny mpiaradia aminy, satria midongy tsy mety mitokana ny Seranam-piaramanidina vaovao eny Ivato, kanefa io no vavahady idirana eto Madagasikara, ka raha nanao ny fitokanana izy dia nisongadina teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Amin’izao fotoana izao dia manambara ny mpomba izao fitondrana izao, fa hisongadina satria hatao ato anatin’ny herinandro vitsy ny fametrahana vato fototr’ilay làlana migodana hampitohy ny Renivohitra amin’i Toamasina izay ho vita ny taona 2026. Satria ity fotodrafitrasa ity no tena nasongadina ka ny fanontaniana mipetraka dia ahoana ireo tetikasa hafa ao amin’ny PEM izay heverina fa tsy voarakitra ao amin’ny “velirano 13”, fa nofinofy toy ny nofin’ny filohan’ny Repoblika rehetra tsy nety tanteraka hatramin’izay? Hiandry taona efatra izany vao hisongadina izao fitondrana izao, kanefa raha tsy tafaverina eo amin’ny fitantanana ny Firenena intsony dia izay eo indray izany no hisongadina sy hiravaka ny vanginy na dia tsy namono ny voay aza.