Fifidianana, TIM Frantsa – Vonona hampandresy ny filoha Marc Ravalomanana

Helisoa

Notanterahina ny sabotsy tao Paris renivohitr’i Frantsa ny hetsika fidirana amin’ny politika : rentrée politique, nataon’ny antoko Tiako i Madagasikara, TIM Frantsa. Tonga maro ireo mpikatroka TIM, ary namaly ny antson’izy ireo ihany koa ireo fikambanana maro samihafa mpanohana mafana fo ny filoha Marc Ravalomanana.

Fidirana amin’ny politika no natao, nefa na izany aza tsy nipetrapetraka fotsiny nandritra ny taona maro, fa tamin’ity fihaonana ity niavaka kosa, araka ny fanamarihan’ny mpikarakara, satria fotoana isehoana amin’izay hoy izy ireo amin’izao herintaona mialohan’ny fififianana hatao eto amin’ny firenena izao.

Tokana ny tanjona dia hametraka ny filoha Marc Ravalomanana hitantana ny firenena indray. Mahatsiaro izahay na aty antany lavitra aza, fa tena mijaly sy miaina ao anaty fahantrana ny Malagasy. Tsy hipetra-potsiny anefa manoloana ny tetika entina hangalaram-bato ny TIM FRANTSA; koa mitaky ny hanaovana ny fikaonandoham-pirenena aty Madagasikara hisorohana izany izy ireo.