Fanafarana mpampianatra vahiny – Miteny ny manam-pahaizana toa an’i Pr Narison Stephan

Isambilo

Mampiteny ireo minia mangina mihitsy ny teniteny foana nataon’ny filoha Andry Rajoelina tato ho ato, indrindra ny mikasika ny hanafarana mpampianatra vahiny ho avy eto amintsika. Anisan’ny naneho hevitra mahakasika izany i Pr Narison Stephan, izay Malagasy manam-pahaizana manokana momba ny fizika nokleary, sy ny fizikan’ny angôvo avo.

“Tsy vahaolana sy lafo ary manambany ny mpampianatra sy ny mpikaroka Malagasy ny fanafarana mpampianatra sy mpikaroka vahiny avy any ivelany. Tsy misakana ny fiaraha-miasa amin’ny Oniversite sy ny Foibe fikarohana maro samihafa any ivelany akory izany. Aleo aza manafatra ireo diaspora izay heveriko fa maro no vonona hitondra ny anjara birikiny hampandroso ny firenena, sady tsy lafo ny mahakasika izay. Efa ela no nahavita fianarana hatramin’ny Doctorat teto an-toerana ny mpianatra Malagasy, anisan’izany ny antony namoronana ny Institut de Recherche HEPMAD teny Ankatso tamin’ny taona 2004 niveau Master sy Doctorat ary eken’ny any ivelany ireo diplaoma ireo. Tokony homena asa ireo tanora nahavita fianarana teto an-toerana ireo. Azo amafisina amin’ny atrikasa sy kaonferansa iraisam-pirenena ohatry ny HEPMAD ny formation pedagogique sy mise à jour.”