EDITO 8 Novambra – Fohy fomba fijery sy fisainana ny fitondrana Rajoelina

Sôh’son

Voafetra ihany ny fomba fijerin’ny mpitondra ao anatin’ity fitondrana ankehitriny ity, rehefa mikasa hanatanteraka tetikasa, ka manazava amin’ny vahoaka izany. Mahakivy ny olom-pirenena maro ny fahenoina ny valinteny nataon’ilay minisitra tomponandraikitra ho an’ny solombavambahoaka Rolland Ratsiraka, raha nilaza ny fijeriny sy ny heviny ity farany momba ilay lalambe migodana kasain’ny fitondrana Rajoelina hotanterahina miaraka amin’ny mpandraharaha egyptiana.

Tamin’izany no nilazany ny amin’ny tsy fahampian’ny fanazavana, ny antsipiriany tokony ho fantatra momba ilay tetikasa sy ny fanatanterahana azy. Tsy fantatra, ohatra, ny zotran’ilay làlambe Antananarivo-Toamasina, hoy izy. Valinteny miendrika an’avona ihany no nataon’ilay minisitra, ary ny nahavariana dia ny fomba fisainana tsy nihevitra ny hafa, fa famelezana an’ilay solombavambahaoaka no namatrapatrarany, sy ny hoe tongava any amin’ny biraoko fa malalaka ny varavarana. Izany dia tena tsy mihevitra mihitsy hoe mety misy olom-pirenena ihany koa ange mila izany fanazavana antsipiriany izany, saingy ity aloha no nanontany sy naneho ny heviny.

Ny olom-pirenena mila valinteny mazava dia tsy manam-potoana hankany amin’ny biraon’ingahy minisitra velively, fa ny fitadiavana amin’izay hahavelona isan’andro ary efa ifampitadiavana mafy. Any amin’ny haino aman-jery toy ireny, ny hariva manaraka vaovao, no ahafahany mba mihaino sy mahalala ny tsara ho fantatra momba izany. Tsy ao an-tsain’ingahy minisitra velively anefa izany ary azo andrefesana tsara ny fomba fisainan’ireo olona ao anatin’ny governamanta sy ny eo anivon’ny fitondrana Rajoelina tsara izany. Toy ny eo an-tendron’orony ihany izany no hitany, fa tsy mahatsinjo ny lavitra. Toy izany mantsy no hita taratra sy tsikaritra ataon’izy ireo rehefa amin’ny tranga toy izany.

Asa na efa zatra manafinafin-javatra sy tsy mahay intsony manao ny mangarahara amin’ny vahoaka amin’ny fanatanterahan-draharaha na tetikasa, indrindra ny lehibe sy goavana toy izao. Zary mety amin’izy ireo ny haha tompon-trano mihono hatrany ny vahoaka ary izay tiatiana ambara ihany no aseho ny Malagasy, ary misy ny afenina mafy. Tsy atao hahagaga raha mandeha ila ny ezaka samihafa amin’ny fikasana hanao fampandrosoana eto amin’ity firenena ity, ka vokany tsy misy zava-banona hahasoa ny besinimaro, fa olom-bitsy ihany no misitraka izany. Efa ho tapitra ity ny fe-potoana iasana mbola tsy tonga saina sy tsy mahatsapa izany ihany ny olon’ny fitondrana. Ny akoho tsy naneno toy izay lanin’ny kary, ary ho volan-kankafotra ihany ny ho fiainam-bahoaka hatramin’ny taona 2023.