IREO SANTIONANY AMIN’NY LAINGANY

Tsy maintsy atao manara-penitra ny hopitaly izay hatsangana,
Sady tsy andoavam-bola, hoy ny teny sy kabary.
Kanjo hatreto, tsisy izany, fa vao mainka koa midangana
Ny rehetra izay aloa raha vao mba manana marary!

Tsisy tany na “iray dia” alaina fotsiny amin’izao,
No sady hajaina ny vahoaka, arovana izay eo an-tanany.
Kanjo laingalainga hatrany ny an-dRatsisikalitao,
Fa ny karana no mibahana,mangala-tany ho fananany!

Jiro, rano tapatapaka, hovahana tsy ho ela,
Ka dia mba miandrasa kely fa hilamina ianareo.
Ho tapitra ny taom-piasan’Ingahy mpivadibadi-dela,
Saingy tsisy fiovana fa vao mainka mankaleo!

Ny karama ambany indrindra, nolazaina fa hakarina.
Ny tsy miankina efa faly sy nandihy nitoto tany.
Kanjo hifarana ny taona, inona no tena marina?
Tsisy niampy, tsisy niova fa dia toa ny teo ihany!

Tena atsahatro mihitsy ny fanaovam-politika,
Raha tsy vitako ny lalana, araka ny fe-potoana.
Kanjo indrisy fampiesonana ny an’Ingahy filohantsika.
Lany andro mihoerahoera sy miteniteny foana!

Raha ny momba ny sekoly izay noheverina hatsangana,
Dia ny hoe “manara-penitra”, lasa teny fisandohana.
Ny mpampianatra, indrisy, fa mijaly sady mangana.
Dimy alina isam-bolana, izay no vidin-katsembohana!

…Ireo no ampahany amin’ny laingany ka ny maso no ahirato,
Ry vahoaka Malagasy mihamahia sy sahozanina.
Ny hafatra dia tsotra ihany: na hiteny aza ny vato,
Raha izay io no mbola ho eo, vao mainka isika tsy hihinan-kanina!

TSIMIMALO (03-11-22)

#rajoelina #mpandainga #liar #menteur