NY FILOHA SY NY FAMILIVILIANA SAINA

Mamilivily saim-bahoaka sisa ataon’Ingahy filoha,
Satria tsy fantany intsony izay mba tanjona hitodiany.
Toy ny tsinjo eo anoloany izatsy fasana mivoha,
Raha toa tohizany hatrany ny fanaovany izay tiany!

Olo-maro mitaraina, tsy mahita izay harapany,
Izany izao ankehitriny no manerana ny lasy.
Ny tolokon’ny vahoaka, tsy henoiny sy tsy tsapany,
Fa ny hoerahoera hatrany no hamahanany ny gasy!

Biby avy any andafy indray no noventesiny an-kabary
Fa haiditra, hisarihana an’ireo mpizaha tany.
Ny etsy Tsimbazaza anefa, be dia be no efa marary.
Misy ny efa voan’ny raboka ka voasaina ve izany?

Nodradrainy ihany koa ny amin’ny lalambe hamboarina
(Izay notebahiny taloha hoe ireny anie ka tsy azo hanina!)
Ny amin’ny vola hanaovana azy, tena mila ampahafantarina,
Saingy hatreto, misitery, sa avy amin’ireo rosianina?

Mamilivily saim-bahoaka sisa tetika ampiasainy,
Izay no hany fara heviny fa tsy tratrany ny tanjony.
Inona no tena marina, mbola mandry ve ny sainy
Sa hifarana ny diany ka dia may ny endim-boanjony?

DADAN’i RIANA (07-11-22)