HILATSAKA INDRAY !

Hilatsaka indray ilay tsy mahay manisa.
Ny mety dia mba mitandrema amin’ny sisa,
Ka aza mba jamba na koa pahimpahina,
Mbola ho sodokan’ny kavim-barahina!

Hilatsaka indray ity ilay very tadidy,
Ilay zatra sy tia mampisotro mangidy.
Tsarovy ireo teny fampanantenany,
Ary ilaozy fa tsisy tanterany izany!

Hilatsaka indray ity ilay be ambozizy
Sy efa malaza ho mpamboly krizy,
Ka tsotra ny teny ampitaina aminao:
Andeha hohalavirina toa fasam-bao!

Hilatsaka indray ity ilay tary mpikosoka.
Ho be indray ny lisitra tena vorosoka.
Avia mijoroa, aza mikombom-bava,
Tohero ny volomboasary mpandrava.

Hilatsaka indray ilay tsy mahafehy tsara
Ny fomba sy riba ary koa ny tantara,
Ka aza mifidy ny olon-toy ireny,
Satria efa henatry ny fireneny!

Hilatsaka indray Rainilainga malaza,
Ilay zatra ny kobaka sy ny hevi-jaza,
K’aleo re ny sofina no hotampenana
Fa ny taloha aza anie nanenenana!

Hilatsaka indray ity ilay tsy ampy solaitra,
Kanefa aoka hitony, aza dia taitaitra,
F’izao no itarafana aty am-piaingana
Ny donto tsy mety manara-dalàna.

Hilatsaka indray ilay ihandronan’ny tsiny.
(Ilay saribakolin’iretsy vahiny!)
Ka aza sodokan’ny teny mampiesona,
Fa mba meteza amin’izay haka lesona!

IRINA HO TAFITA (29-10-22)