Tany any Analamalotra Toamasina II – Toa tsy nanaiky ny fanelanelanan’ny FJKM i Kardinaly sy ny ekipany

Ny Valosoa

Mahakasika ny raharaha olana tany any Analamalotra Toamasina faharoa faritra Atsinanana, niantso fanelanelanana avy amin’ny fiangonana FJKM any Toamasina ny tompon’ny tany sy ny namany, hanelanelana azy ireo amin’ny katolika any an-toerana momba ity raharaha ity. Nisy ny fanambarana nataon’Andriamatoa Be François sy ny namany mahakasika izay:

« “Mankanesa aty amiko ianareo izay miasa fatratra sy mavesatra entana”.

Ny entan-jaraina mora zaka. Misy tany izay vita boky amin’ny anaran’ny société d’exploitation du canal du Nord ao Analamalotra ary mitondra anarana hoe« la REDOUTE » sy titre 3072-BA.

Rehefa nilaozan’ny tompony izy io dia nangatahako ka azoko teo anatrehan’ny Fitsarana teto Toamasina. Nofoanan’ny fitsarana ambony ny didy saingy mbola nahazoako rariny teo anatrehan’ny fitsarana tampony.

Voasoratra amiko ny tany. Noho ny fahanterako dia namidiko izy io avy teo. Mitsiriritra azy io fatratra ny ONG Saint Gabriel, izay nanofa tamin’ny DRDR teo aloha nefa tsy tompon’ny tany ka tsy tontosa ny fisitrahako na ilay nividy tamiko an’io tany io.

Rehefa tsy nahita ny rariny tamin’ny fanelingelenana ahy izy dia nialokaloka tao ambadiky ny fiangonana Katolika.

TANY MISY OLOBE TSY MIADY ZAZA. “SAMBATRA NY MPAMPIHAVANA”,

Teto dia tsaroako io tenin’ny soratra masina io, fiangonana rahateo moa no resahina. Tsy mampiditra ny fiangonana amin’ny ady izahay fa mitondra ny tsy zakanay. Nanatona ireo Ray aman-dReny eo anivon’ny fiangonana FJKM izahay ary ireto indray no nanao ezaka nihaona tamin’ny Ray aman-dReny Kardinaly.

Notanterahina ny 10 jona 2022 ny fihaonana tao amin’ny trano fiasàn’ny Kardinaly. Ary namarana ny dinika izy, ka nanambara fa tsy mahatapaka irery fa hiantso ny mpiara-miasa aminy.

Niantso ireo Ray aman-dReny ireo indray izy ny 11 jona 2022, fa ho tohizana ny dinika ny 13 jona 2022.

Nifanaraka teo izy ireo fa hihaona aty aoriana kely. Kinanjo anefa, tsy nisy intsony ny antso fa ny 26 septambra lasa teo dia nantsoina teo anatrehan’ny fitsarana tampony indray ny raharaha.

Olona nandalo no nandrenesanay fa tsy nisy fiantsona anay akory.

Mametra-panontaniana izahay manoloana ny fihetsika asehon’ity Ray aman-dReny ity hoe “mbola izy ve no manetsika ny raharaha sa ny mpisolovava ihany no nanapa-kevitra?”

Tsy mankasitraka ny ezaka nataon’ny mpitondra fivavahana izay nanatitra ny alahelonay tany aminy ve izy?

Ny fiaraha-midinika ve no tsy ankasitrahany sa tsy matoky ny fanamarinana eo am-pelatanany izy?

Sa tsy afa-miankina amin’ireo porofo izy, ka mampiasa izay mety ho hery eo an-tanany entina manindry ny manampahefana: na ara-pitsarana izany, na eo amin’ny fitondrana? »

Mahakasika ity fanambarana ity, nanamafy ny fisian’ny fihaonana ny Prezidà Synôdaly ny FJKM any Toamasina Vavahadin’ny Filazantsara: Emile Johnson William: fa voarain’izy ireo tokoa ny alahelo sy ny fitarainana ary tena nisy tokoa ny fihaonana indroa miantoana ireo (nihaona tamin’Andriamatoa Kardinaly). Niandry ny tohiny koa ireo Pasitera FJKM, no niseho ny fametrahana vato fototra tao amin’ny tany. Mbola manantena ny hisian’ny fihaonana izahay, hoy ireo Pasitera FJKM any amin’ny renivohitry ny faritra Atsinanana, izy ireo dia mieritreritra fa ilaina ny diniky ny mpirahalahy.

Toa tsy nanaiky ny fanelanelanana aloha hatreto izany i Kardinaly sy ny ekipany ahitana ny vicaire general koa, sy ilay frera katolika ao amin’ny Saint Gabriel. Ny fifampiresahana ihany nefa no vahaolana hoy ny tompon’ny tany, sy ireo Pasitera avy amin’ny fiangonana FJKM any Toamasina.