Lemaka Bas Mangoky any Ambahikily – Tsy manaiky lembenana amin’ny taniny ny tantsaha

Isambilo

Tsy manaiky lembenana amin’ny taniny ny tantsaha, mangataka ny hiasa amin’ny taniny amin’izay ireo tantsaha tompon’ny tany, any amin’ny lemaka Bas Mangoky any amin’ny kaominina Ambahikily sy Tanandava Station, any amin’ny distrikan’i Morombe faritra Atsimo Andrefana. Efa ho 5 taona tsy namboly vary ireo tantsaha mpamboly any amin’ity lemaka midadasika ity. Sahirana izy ireo noho izany.

Nohajarian’ny fitondrana tamin’izany fotoana, sy ny BAD (Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana) ny lemaka Bas Mangoky, namboarina ireo lakandrano fitarihan-drano, nasaina niala tamin’ny tany ireo mpamokatra, ka rehefa vita ny fanajariana dia hiverina amin’ny taniny ihany izy ireo, ka ny 70% ny tany no miverina aminy, fa ny 30% kosa ho an’ny fanjakana ho sandan’ny fanajariana sy ho zaraina amin’ireo mbola tsy manana tany ho volena.

Ankehitriny, mangataka ny hamerenana ny taniny amin’izay ireo tantsaha any amin’ny lemaka Bas Mangoky ao amin’ny kaominina Ambahikily sy Tanandava Station distrikan’i Morombe faritra Atsimo Andrefana ireo, ka hampiharina ny fifanarahana voalohany tamin’ny BAD, milaza fa : ny 70% ny taniny dia haverina aminy, fa ny 30% no homena ny fanjakana hatolotra izay tsy manana. Nisongadina izany tamin’ity herinandro ity, nandritra ny hetsika nataon’ireo tantsaha tompon’ny tany tao Ambinda Ambahikily, natrehan’ny depioten’i Morombe Eddy Eddy Adolphe, sy nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety nataon’ny solontenan’ireo mponina ireo tao Ambahikily. Tsy ekena ny valeur vénale, izay napetrak’ireo mpizara tany: CAT (Comité d’Attribution des Terres), hoy ireo tantsaha. Ny valeur vénale izay nampifamadika ny fifanarahana tany am-boalohany, ka lasa ny tany 30% no ho an’ireo tantsaha tompon’ny tany, fa lasa ny 70% no ho an’ny fanjakana. Tsy ekena izany hoy ny solontenan’ireo mponina Raharison Durlin, fa ny ampahany betsaka amin’ny tany ihany no ho an’ny vahoaka tompon-tany.

Mahakasika ity raharaha ity, raha tsy hisy intsony ny fifampidinihana, hiverina hamboly ireo tantsaha raha vao tonga ny orana sy mandeha ny rano, hoy ihany koa ny solontenan’izy ireo : Andriamatoa isany Randrianarisoa Thomas avy any Tanandava Station sy Andriamatoa Rigy Bernard avy ao Ambahikily. An’arivony ireo tantsaha tompon’ny tany, mitaky ny famerenana ny taniny any amin’ny lemaka Bas Mangoky, ao Ambahikily sy Tanandava Station ireo. Nambaran’ny depioten’i Morombe, Eddy Eddy Adolphe, fa mbola hitondra ny raharaha indray, amin’ny ambaratongam-pitondrana samy hafa izy ho famahana izao olana izao.