Fitondrana Rajoelina – Tonga amin’ny tenin’ilay nahandro vato : araka ny rony dia masaka

Andry Tsiavalona

Izao tokoa no tonga amin’ny fitenenan’ilay nahandro vato hoe: “araka ny rony dia masaka”!

Raha hiverina any amin’ny nampisehoana voalohany tany Parisy ny IEM dia toa hisandratra ambony dia ambony, tsy hisy toa azy tokoa, ity Nosy ity ka hitodi-doha aty Madagasikara avokoa, na ny mpampiasa vola na ny mpampindram-bola na ny mpandranto fahaizana amam-pahalalana na ny mpitady asa. Taona efatra hono no nanomanan-dRajoelina Andry ity vinany ity. Tsy niainga tamin’ny zava-misy sy izay niainan’ny Malagasy izany, fa heverina ho nalaina tahaka tamin’izay hitany sy nofinofiny fotsiny. Manaporofo izany ny fiovaovan’ny anaran’ny programany rehefa tonga teo amin’ny toerany ity filohan’ny Repoblika IV-2 ity.

Rehefa nanomboka ny asa maha filohan’ny Repoblika ihany koa izy dia namory vahoaka ary nanao “velirano” entiny mamaha ny olana tena manahirana ny mponina. Santionany amin’izany ny làlana iray ao Ambatondrazaka, ka nilazany fa “tsy hanainga zipo” intsony ny vehivavy. Toy izany koa ny làlam-pirenena faha-13 izay nanaovany velirano, fa “tsy hanao politika intsony izy raha tsy vita ity làlam-pirenena ity”. Tafiditra teto Madagasikara ny valanaretina covid-19 dia nidehaka izy, fa “hitodika aty avokoa ny mason’izao tontolo izao”, satria nahita fanafody na fiarovana amin’ny valanaretina, CVO, ny gasy. Nitaraina ny vahoaka any Atsimo noho ny tsy fandriampahalemana dia nanao velirano ny filohan’ny Repoblika, fa hividy angidim-by sy “drone” hanarahan-dia sy hamongorana ny asan-dahalo. Tsy izay no setrin’izany, fa nanao fifanarahana ara-tafika tamin’ny Rosiana ny fitondrana, ka nividy fitaovam-piadiana mahery vaika, angamba ho entina miady amin’ny mpanani-bohitra. Etsy an-kilany dia haintany tsy misy fitsaharana koa any dia hanao fantsona, ankoatry ny efa misy avy any Ampotaka, ho an’ny fambolena sy ho sotroin’ny mponina sy ny biby fiompy, Rajoelina Andry. Nirefodrefotra ny tehaka ary niredona ny fisaorana nataon’ny nanatrika ireo fampanantenana ireo. Miditra amin’ny taona fahadimy nitondrany Rajoelina Andry, ka tsy mitsahatra ny mampanonofy sy mampanantena volana sy kintana ho an’ny Malagasy izy. Mahatsapa angamba izao fitondrana izao, fa tsy mamaly ny filàn’ny firenena ny fampianarana ka nanaovana dinikasa nentina nanitsy ny PSE ary mety ho foanana ny fanadinam-panjakana CEPE sy ny BEPC, izay mampametra-panontaniana hoe hitondra mankaiza hoan’ny ankizy malagasy. Tsy vitan’izay fa nambaniana sy notsinontsinoavin-dRajoelina Andry ny mpampianatra Malagasy, fa hanafatra mpampianatra avy any Italia sy Frantsa ary Etazonia izy. Ny olana dia ny mpampianatra eto an-toerana, na eny amin’ny Ambaratonga Ambony, na ny eny amin’ny Ambaratonga faharoa sy fototra aza tsy voaloan’ny fitondrana ny karamany ary tsy misy trano ipetrahany, ka vola avy aiza no handoavana ny karaman’izany mpampianatra avy any ivelany izany.

Mahazatra izao fitondrana izao ny mamory olona hakana hevitra hampandrosoana an’i Madagasikara, ka ny faran’ny herinandro teo, niantso ny mpampiasa vola, tsy ny avy eto an-toerana ihany fa ny avy ivelany ihany koa, nanolorana ny PEM indray. Ny lohahevitra nisongadina sy nanaitra ny maro dia ilay fanafarana bibidia avy atsy Afrika, mba hisarihana ny mpanambola eo amin’ny sehatry ny fizahantany hananganana hotely kintana dimy any amin’ny faritra arovana no hametrahana izany bibidia hafarana izany. Misy foana ny mpitehaka sy mpankasitraka izany rediredy izany, kanefa tsy mahafantatra ny tontolo manodidina hiantraikan’ny tetikasa, satria hanafatra sy hamboly ny zavaboahary sakafon’izany biby izany koa ve ary ahoana ny fiarovana ny mponina miorim-ponenana manakaiky ny toerana hametrahana azy. Tsy hektara no ilaina fa amina kilometatra tora-droa an-jatony maro, mba tsy hilazana hoe anarivony na analiny kilometatra toradroa.

Maro ireo vato nandrahoina tsy nety masaka, ka nosoloina kanefa dia ny ranony fotsiny no manodoka fa tsy hitondra izay vokatra andrasana velively na ho tonga aza ny fifarananan’ny fepotoam-piasana faharoa na fahatelo, raha hisy. Tsy ny tantara no hitsara fa ny zava-misy sy iainana no hamaritra ny andraikitra ho raisina, manoloana ny raharaham-pirenena sy ny fitantanana ny Firenena. Efa leom-boanan’anana ny Malagasy, ka tsy tia zava-boribory intsony; teloambinifolo ny velirano, efa avo telo heny izany amin’izao fotoana izao, ka ny an-tratra tsy lavo dia hiantso an-dRainilahibe ihany ve?