FTMF – Nahitana lesoka sahady ny fikarakarana fifidianan’ny Ceni

Sôh’son

Mila mitandrina ny rehetra satria tsapa, fa mbola tena marefo ny tontolo politika eto amintsika, ka ahiana hiteraka krizy vaovao indray, hoy ny FTMF na Fikambanan’ny Tanora Mandala ny Fahamarinana, mba ho fampandrosoana ny Firenena. Nambarany, fa ao anatin’ny fikarakarana ataon’ny Ceni, ho fanomanana ny fifidianana hatrany am-piandohana dia efa nahatsapana sy nahitana fa misy ny lesoka. Nasongadiny tamin’izany ny momba ny fametrahana ny solontenan’ny firaisamonim-pirenena ao amin’ny Ceni. Na dia nisy aza ny « cadre de concertation », dia fombafomba fotsiny ny atao raha ny fahitany azy satria ny lalàna efa nivoaka, izay vao niroso tamin’ny fakana soson-kevitra. Ny fanatanterahana ny refonte electorale, izay tsy mifanaraka amin’izay voalaza sy baiko no hita eny am-panatanterahana ny asa mifanandrify amin’izany; lasa miteraka ahiahy noho ny tsy fisian’ny mangarahara sy paik’ady matotra amin’ny fanomezana kopia faobe sy karapanondro faobe, izay sady mifanandrify amin’ny fanaovana refonte électorale.

Miantso araka izany ny Fitondram-panjakana, ny Fiangonana, ny Firaisamonim-pirenena, ny mpanao politika, ny sehatra tsy miankina , ny mpanao gazety, ny FTMF ny mba hisian’ny fikaonandoha ho an’ny mpiantsehatra rehetra mahakasika ny tontolon’ny fifidianana, ka mila tsara jerena na ireo lalàna mifehy ny fifidianana, sy ny lalàna mifehy ny Ceni ary ny fombafomba rehetra mahakasika ny fifidianana. Miantso ny vahoaka ihany koa mba hijoro sy handray andraikitra sy hanefa ny adidy arak’izay tandrify amin’ireo dingana rehetra lalovana ao anatin’ny fifidianana izay atao. Ny FTMF kosa dia hanao ezaka lehibe arak’izay vitany, hanara-maso sy handray andraikitra mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana manerana ny Nosy, mba hahatratrarana ny tanjona dia fifidianana ao anatin’ny mangarahara sy fahamarinana ary ifanarahan’ny rehetra.

Entaniny ihany koa ny mpiantsehatra rehetra, mba hifanome tanana sy hanambatra ny hery, mba hahafahana mametraka amin’ny fomba demôkratika izay Mpitondra tiana hitondra ny firenena amin’ny fifidianana izay hatao, ka mba ho tanteraka ny tenin’ny fikambanana hoe « Safidy manan-danja ».

Marihina fa feno 20 taona ny FTMF, ka teny amin’ny Arrupe Faravohitra, no nanamarihin’ireo mpikambana ao aminy, notarihin’ny filohany Ramiarondrabe Hajason, izany tsingerin-taonan’ny fikambanany izany.