EDITO 5 Novambra – Fanafarana biby avy any ivelany – Famitahana ireo mpizahatany ho avy eto amintsika

Sôh’son

Nanaitra ny sain’ny olom-pirenena maro, sy indrindra ireo mpandinika ny raharaham-pirenena ary nampihivingivina azy ireo mihitsy aza, ny teny nambaran’i Andry Rajoelina tamin’ny fotoam-pamaranana ny fivoriana momba ny drafitra fisandratan’i Madagasikara tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo teny amin’ny Ivato, ka nilazany ny amin’ny hanafarana biby miseho ao anaty horonan-tsarimihetsika « Madagasikara ».

Efa be ireo fanehoan-kevitra fitsikerana momba izany izay hita ho mitombina avokoa. Anisan’izany ny filazana hoe ny hevitry ny vahiny tsy mitombina akory, fa azo hamarinina ny tsy fisian’ireny biby ireny teto amintsika. Ireny indray ve no heverina hisintona vahiny mpizahatany, fa tsy ny biby tsy fahita afa-tsy eto amintsika ihany? Ireny no misarika mpizahatany saingy tsy voakarakara araka ny tokony ho izy akory, mba tsy ilazana hoe tsy laharam-pahamehan’ny fitondrana. Hoan’ny mpandinika sasany dia karazany famitahana vahiny mihitsy izany. Tsy mianona amin’ny famitahana ny vahoaka ny fitondrana, fa hatramin’ny vahiny ihany koa toa fitahana amin’ity resaka biby “importé” ity. Farafaharatsiny mba biby “expatrié” no haverina na hampidirina eto, hoy ny sasany izay toa manao sarisary teny sy zary tenany nefa toa marina ihany. Moa tsy mitovy amin’ny natao teny amin’ny Lapan’i Manjakamiadana amin’ny fametrahana amboletra ny Colisée izany trangan-javatra izany?

Mahavariana ny mpitazana ny fomba fiheveran’ny fitondrana entina hampandrosoana ity firenena mahantra ity tao anatin’ny efatra taona latsaka izao. Tsy hita misongadina hatrany ny fifotorana, mba hampivoatra sy hanatsara ny fiainam-bahoaka sy ny maha maika ny vahoaka izay rotehin’ny fahasahiranana lalina sy gejain’ny fahantrana mangitsokitsoka andro aman’alina amin’izao fotoana izao. Tena fanafarana biby ve no maika noho ny fisian’ny mponina lazoin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy misy maty mihitsy aza noho ny kere. Efa misy Malagasy mihinana ny tsy tokony ho fihinana hatramin’izay, kanefa toa milalao tanana fotsiny ny fahitana azy ny fitondrana manoloana izany.

Fa fitondrana inona ity mitondra ny firenena Malagasy ity ? Hoy ny resaka mandeha eny amin’ny andavanandrom-piainana eny. Toa mihodinkodina fomba fiasa fotsiny manoloana ny fahoriam-bahoaka, fa tsy voajery sy vahana haingana anaty fotoana fohy ny olana maro samihafa mianjady. Hanan-kambara ny vahoaka amin’ny fanehoana ny heviny amin’ny fifidianana.