Fitondrana Rajoelina – Voafetra ny fahaizany eo amin’ny lafiny jeôpôlitika

Sôh’son

Mitsidaikadaika na misababaka famindra ny fitondrana Rajoelina eo amin’ny lafiny jeôstratejika sy jeôpôlitika, na ny fifandraisana iraisam-pirenena. Miharihary mazava tsara izany ankehitriny amin’ny resaka momba ny raharaha Ukraine sy Russie, tamin’ny fanapahan-kevitra teo anivon’ny Firenena Mikambana, na fanalana tamin’ny toerany ny minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha izay efa nosoloina maimaika be ihany. Teo koa ny raharaha momba ny amin’ny dinika faharoa, sy momba ireo delegasiona malagasy vaovao hiatrika ny delegasiona avy amin’ny mpitondra frantsay. Na iry voalohany na ity faharoa farany dia maneho mazava, fa tsy mahafehy izany sehatra izany ny fitondrana malagasy. Manaporofo izany ny tsikera maro samihafa avy amin’ireo olom-pirenena isan-tsokajiny, indrindra ireo manam-pahaizana momba izany.

Tsy mazava ny lalan-kizoran’i Madagasikara rehefa tojo tranga sarotra toa ny an’i Ukraine sy Russie. Tsy matotra sy miovaova ny fanapahan-kevitra raisina ary tsy sahy maneho mazava sy hentitra fa zary toa mihafihafy. Tsy nahitsy ny fomba nolazaina ny amin’ny fiandrianam-pirenena raha tsy efa sahy nilaza izany ny senegaley, ary manamafy izany ny tsy fahitana hevitra ambara hafa intsony ankoatran’izay. Tsy mitovy anefa fa samy manana ny maha izy azy ny firenena afrikana ary toy izany koa ny zava-misy atrehin’ny tsirairay ao aminy. Fitenin-dRajoelina teo aloha teo ny hoe : ho môdely aty Afrika i Madagasikara, hitodika aty amintsika ny mason’izao tontolo izao. Raha izany tokoa dia manan-kambara hafa fa tsy maka tahaka ny ambaran’ny firenen-kafa ny fitondrana malagasy na manara-drian-drano fotsiny, ary ny ambarany amin’izany mitombona mazava amin’ny raharaha sarotra toy ny ao Ukraine sy Russie izao. Tsy izany anefa no hita sy re. Filazana mba manana ny lanjany sy vesatra, fa tsy izay efa fandren’ny olona ihany na misy amboamboarina toy ny nolazaina tany ivelany ireny na tany amin’ny Firenena Mikambana na tany amin’ny nahazoana ilay amboara amin’ny resaka indostria, izay niteraka adihevitra be ihany koa io teto amin’ny firenena, ary noezahina izay hampangingina maimaika azy, satria tsy naharesy lahatra ny olom-pirenena maro. Hatreto tsy fantatry ny vahoaka malagasy marina izay hevitry ny fitondrana malagasy momba io raharaha iraisam-pirenena io. Raha toy izao hatrany no fandehan’ny raharaha, tsy hita soritra mazava ny hevitry ny fitondrana, dia azo adika izany ho tsy fahaizana mifehy ny jeôpôlitika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Ny anankiray ihany koa, dia ny momba ny dinika amin’ireo Nosy malagasy bodoin’ny fitondrana frantsay. Efa tsikera be no ataon’ny olom-pirenena na ny antoko saropiaro mafy amin’ny fiandrianam-pirenena, toy ny Otrikafo ohatra, ny amin’ny hanaovana ny dinika any Frantsa. Toy ny mandady manana ny rariny ny fahitany izany nefa toa mety amin’ny fitondrana. Hita rahateo fa miezaka mandrirarira ny resaka ny fitondrana frantsay ao anatin’izany, ary ezahiny ny hametrahana amboletra ny heviny satria fantany ny lanjan’ny fitondrana Rajoelina ary voarefiny. Tranga voakasik’izany ny amin’ny Nosy Glorieuses na Nosy Sambatra, izay kasainy atao valan-javaboahary arovana na iaraha-mitantana. Zary kely hery anefa ny fitondrana Rajoelina hanoherana ny ho setrin’izany. Manambara izany ny fanovana ireo olona ao anaty delegasiona hanao izany dinika faharoa izany, izay tsy mbola fantatra mazava indray koa hatreto ny daty hanatanterahana izany, raha nolazaina hatramin’izay fa amin’ny fiandohan’ny volana novambra ho avy izao. Ny tsapa dia tsy afaka manome na mamaritra hentitra fotoan’andro na daty hihaonana amin’ny delegasiona frantsay ny fitondrana Rajoelina. Izay ilay ambaran’ny mpandinika hoe “mandady manana ny rariny”. Tsy hahatafavoaka “baolina”, araka ny fomba fiteny, araka izany izao fitondrana izao. Midika zavatra be rahateo ny fanovana lava izao ny olona mitana ny toeran’ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy, izay nahitana lesoka hatrany. Hiandry inona na hanantena inona amin’izany ny vahoaka Malagasy? Fitondrana izay mihevitra ny handeha irery sy miseho hahavita samirery ny raharaha, fa tsy mila ny fanampiana na ny fanohanan’ny hafa eto amin’ny firenena.

Azo lazaina ho saro-toerana na ratsy toerana eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena i Madagasikara, noho ny tsy fahafehezana ny lafiny jeôpôlitika na jeôstratejika raha araka ireo tranga ireo. Tsiahivina, ny filoha Ravalomanana tamin’ny fotoana nitondrany dia nampiaiky firenena maro na ireo firenen-dehibe aza, amin’io fahaizana mandresy lahatra io eo amin’ny lafiny diplômatika, ary nanana ny toerany i Madagasikara tamin’izany. Mipetraka ho tantara izany na dia noezahin’ireo mpanao politika maloto nokosehina aza. Mila mianatra sy maka traikefa momba izany ny fitondrana ankehitriny. Manahirana ny saina ihany ny mieritreritra an’izany.