Vokatra fanondrana any Sambava – Vidin-davanila 2 miliara Ar eo tsy nefain’ny mpandraharaha

Aly

Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo mpamokatra vokatra fanondrana lavanila any Sambava faritra Sava, volan’izy ireo mitentina hatramin’ny 2 miliara Ar, tsy nefain’ireo mpandraharaha any an-toerana. Nivondrona ny solontenan’ireo tantsaha mpamokatra lavanila any Sambava, faritra SAVA, izay nahatsiaro ho tratry ny fivadiham-pitokisana nataon’ny mpividy ny vokatr’izy ireo, ka misy amin’ireo Mpandraharaha ara toekarena ampangain’ireto tantsaha ireto, ho nampihitsoka izany vidim-bokatr’izy ireo izany. Mahatratra any amin’ny 2 miliara Ariary ny vola tsy voaloa hatramin’izao, araka ny fanazavana.

“Misy fotoana natao hanginana, fa misy fotoana ihany koa no hitenenana ny maharary, manoloana ny tsy nandoavana ny hatsembohan’ny tavanay tamin’ny vokatra lavanila. Miantso ny mpitondra foibe any ambony any izahay, mba hitodika kely amin’ity olana mianjady aminay tansaha ity, fa noana, te hihinana, mosary, ary tsy mahita: aiza no hiantorahana izahay ankehitriny”, ireo no fitarainana nataon’ireto mpamokatra lavanila ireto tamin’ity herinandro ity. Marihana fa misy amin’ireto mpamokatra lavanila mitaraina ireo, no efa nanana vola nahitsoky ny mpandrahara, nanomboka ny taona 2017, ary tsy mbola voaefa izany hatramin’izao.