EDITO 29 Oktobra – Angôvo – Miandry gropy faha-5 angamba vao tsy hisy delestazy

Ny Valosoa

Novoizina mafy mihitsy tamin’ny fampahalalambaovao, fa hilamina ny famatsiana rianaratra, aorian’ny fametrahana ilay gropy fahaefatra any Andekaleka. Nisy mihitsy ny tetiandro navoaka izay nilazana hoe ny Zoma 14 Oktobra hatramin’ny Talata 18 Oktobra ihany no tsy lavorary ny famatsiana rianaratra, fa aorian’io dimy andro voalaza io dia hiverina amin’ny laoniny, hiverina “normal” no filazana navoaka.

Marihina fa andro vitsivitsy talohan’io dimy andro io dia efa tsy lavorary ny firehetan’ny jiro, ary ny ampitso Alarobia 19 Oktobra dia efa nifampitady tao anatin’ny haizina ny faritra maro teto Antananarivo Renivohitra ary hatramin’izao dia mbola izany no iainana. Izay vao mazava ny dikan’ilay hoe miverina “normal”, satria ny delestazy dia efa lasa “normal” ho an’ny malagasy dia ilay fahatapahana tsy misy fampilazana, fa ny zava-nitranga tao anatin’ny dimy andro dia tsy delestazy no fiantso azy fa fanapahana efa voalaza mialoha.

Ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Minisiteran’ny Angôvo sy ny Jirama anefa, isaky ny mahazo sehatra amin’ny haino vaky jery dia tena matavy resaka tokoa, ny hamintinana ny resak’izy ireo dia ny hoe: mifalia ry malagasy fa ho lasa ny haizina, kanefa inona akory, fa vao mainka aza toy ny tain’omby natsetsindava-bary ka indroa nahita ny maizina.

Ny mpitondra faratampony eto amin’ny firenena mihitsy no efa zatra mamahan-dainga ny vahoaka, nanomboka tamin’ny fakana fahefana tsy ara-dalàna tamin’ny taona 2009 izany, nitohy tamin’ny fampielezankevitra tamin’ny fifidianana 2018 ny filazana habobo, ary izao efa mahazo fitondrana izao, vao mainka manararaotra toy ny banga mihomehy amin’ny alina amin’ny bala rora, tsy resaka delestazy ihany no ambara etoana, fa ny lafin-javatra rehetra mihitsy no ahenoina fampanantenana poakaty mivoaka avy amin’ny vavan’ny mpitondra.

Tonga ny fahavaratra efa mirotsaka ny orana ary efa misy koa ny kotroka sy ny tselatra, dia mahazo aina kely ny Minisitera ny Angôvo sy ny Jirama, satria misy ny toetrandro azo anilihana ny fahatapahana, kanefa tsy afa-bela ihany koa satria tokony hampihena ny fampiasana solika ny fisian’ny orana.

Ny azo antoka aloha dia mety hivoaka ny feo izay manambara fa aorian’ny fametrahana ny gropy faha-5 dia tsy hisy intsony ny delestazy, ary ho lazaina amin’izany fa ho ritina mihitsy ny ranon’Ikopa mandritra ny fametrahana io gropy faha-5 io.