EFA VOLANA NO ISAINA…

Hatrizay nandeha an-jamba sady faly nihoerahoera?
Nilomano tamin’ny bizina ary koa ny aferafera!
F’efa volana no isaina, hifarana ny taom-piasana,
Vao mba miomana hametraka irony drafi-panovana?

Fa nandritry ny efa-taona dia nihinana, niletra.
Tsy nisaina kely akory hoe hatraiza moa no fetra?
Efa volana no isaina, izay ‘nareo vao misahotaka.
Efa indreo mananontanona na grevy na ny rotaka!

Aiza irony vavabe raha vao nandromba-pahefana?
“Efa vonona ny vola sy ny lalana hombana!”.
Efa-taona aty aoriana, toy ny mbola mitsingevana.
E jereo ny firenena, tena am-pototry ny tevana!

Ny hadisoana moa,indrisy, tena raofina an-tsobika,
Noho ‘reo hagegena maro, tsy fahaizam-politika.
Mbetika no miova hevitra, toy ny zaza vao mamindra.
Fidedahana, aoka fotsiny, f’io no lehibe indrindra!

Ry mpitondra tapi-dalana, ampy izay fa mipetraha,
Satria mitombo hatrany ny olana nefa tena tsy voavaha.
Angamba tsy ny toa anareo no hanavotra ny Malagasy,
Ka ny mety, tsotra ihany, ‘ndeha ilaozy re ny lasy!

TSIMIMALO (26-10-22)