RMDM Toliara – Hidina an-dalambe raha tsy hatao ny fikaonandoham-pirenena

Nangonin’i Niaina

Nihaona tamin’ireo mpitarika ny rodoben’ny mpanohitra: RMDM any Toliara faritra Atsimo Andrefana ny faran’ny herinandro teo, ny filoha lefitra nasiônalin’ny RMDM Faritanin’i Toalira Pasitera Edouard Tsarahame. Vory lanona tany an-toerana ireto mpitarika ireto, ny mahakasika ny raharaham-pirenena no voaresaka tamin’izany, indrindra ny mahakasika ny fifidianana ho avy. Nisongadina tamin’izany, fa tsy mety amin’ny RMDM Toliara ny zavatra ataon’ny fitondrana ankehitriny, satria simba tanteraka ny lisi-pifidianana raha tsy miala eo ny HCC: Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana sy ny CENI, na ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana. Takian’izy ireo noho izany ny hisian’ny CONCERTATION NATIONALE, na fikaonandoham-pirenena, fa raha tsy izany hoy izy ireo, hisy ny fidinana andalambe hataon’ny vahoaka. Tsy azo ihodivirana izay fikaonandoham-pirenena izay, araka ny nivoitra tamin’izao fihaonana izao, satria izay ihany no hisian’ny fifidianana madio sy mangaraharaha ary ho eken’ny rehetra.