RY TSISY HAPOAKA MIANAKAVY!

Ry mpitondra o! mihevera ity ‘nareo mitety tany,
Miezaka hanatsara endrika any ampita lavitra any,
Nefa ny eto ambany maso tena mody odiana fanina.
Firy izao ireo maty noana sy efa tsy mihinan-kanina?

Any ampita no dradraina ny amin’ny lalambe hamboarina.
Ny efa vita tsy kojaina f’inona no tena marina?
Azo hanina indray rehefa hoe ‘nareo no eo?
Fa dia impiry hanova tonony ary impiry hanova feo?

Ry mpitondra o! mihevera fa tsy misy fivoarana.
Taom-piasanareo anefa tsy ho ela dia hifarana.
Toa tsy misy zava-tsara tena hita hoe mba miavaka,
Fa vao mainka i Gasikara mihamilentika any an-davaka!

Ianareo ilay miady lava, izay no tranga toa fahita,
Ka tsy misy zava-banona sy tsy misy zava-bita.
Ny etsy mody mifanohana, ny atsy tena mifamely.
Misy aminareo fikitra tena tia mampiady angely!

…Dia hankaiza ity ‘nareo? misosa hatrany anie ny volana,
Nefa be dia be ny sehatra tsy ahitana vahaolana.
Sa dia efa miomankomana hanalava taom-piasana,
F’efa izay no mahazatra ireto donto eto an-tanàna?

DADAN’i RIANA (24-10-22)