NY MPITONDRA SY NY ROSIANINA

Tsy afa-miala ve ‘nareo fa nofatoran’ny rosianina
Amin’ny tsipitsipy kely noho ‘nareo ilay tendan-kanina?
Ny fitaovam-piadiana, ireny ve no ianteherana,
Sy ampiasaina hatrany hatrany hoenti-manamafy toerana?

Tsy afa-miala ve ‘nareo fa nofatoran’ny rosianina,
Ka naleo nivadi-dela sy somary nody fanina?
Ny safidin’ny minisitra, iraky ny fanjakana,
No indro indray fa dia nolavina, ary izy nodakana?

Moa tsy izay no politika mahazatra hatramin’ny ela,
Izay fanaonareo mpitondra tia mivadibadi-dela?
Anio manao ny velirano, ampitso indray manota fady.
Tena hoe mpitondra marina sa mpamarina any an-kady?

Tsy afa-miala ve ‘nareo fa nofatoran’ny rosianina,
Ka ny tombontsoam-bahoaka zary tena nohamaivanina?
Ny hiletra, hiletra hatrany sy ho voky hatreny an-tenda,
Izay no tena imasoana fa tsy ahoana ny ho kenda?

Tsy afa-miala ve ‘nareo fa nofatoran’ny rosianina?
Iza marina no ambony, iza marina no andrianina?
Moa dia hahazaka firy raha hikimpy itony maso?
Mihevera ry mpitondra, ny fisainana alefaso!

DADAN’i ZINA (25-10-22)