Mpiandraikitra foibe FJKM – Miantso ny mpitondra hampanjaka ny fahamarinana

Nangonin’Isambilo

Nivory tetsy amin’ny CFD Ampandrana tamin’ity herinandro ity, ny mpiandraikitra foibe ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa eto Madagasikara (FJKM). Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo tao aorian’izany:

“Manainga ny mpitondra fanjakana hampanjaka ny fahamarinana sy handray andraikitra manoloana ny fahantrana lalina, ny tsy fandriampahalemana, ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, ny fiparitahan’ny zava-maha-domelina ary ny fandorana tanindrazana, izay mahazo vahana eto amin’ny firenentsika ankehitriny. Miantso ny rehetra hifampihaino, mba hisian’ny filaminana sy hampanjakana ny fihavanana, indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana eto amin’ny firenena izao ary samy handray andraikitra, mba ho madio sy mangarahara izany fifidianana izany.” Nitondra izany hafatra izany ny filohan’ny FJKM: Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, mpitandrina filohan’ny mpiandraikitra foibe.