Tsy misy antenaina amin’ny Parlemanta eto – Antenimieran’ny mpanitsakitsaka lalàna sy mpingitrika fivoriana

Ny Valosoa

Nisokatra tamin’ny talata 18 Oktobra 2022 teo ny fivoriana ara-potoana faharoan’ireofahefana mpanao lalàna, fivoriana hifantoka amin’ny fandinihina ny lalàna hifehy ny tetibolam-panjakana amin’ny taona ho avy 2023.

Toy ny mahazatra dia ireo Filohan’ny Antenimiera roa tonta no tompon’ny vava rehefa fivoriana fanokafana, saingy indrisy fa azo lazaina ho tsy naharesy lahatra ny nambaran’izy ireo.

Nandrasana fatratra izay nambaran-dRamatoa Razanamahasoa Christine Filohan’ny Antenimierampirenena, satria solombavambahoaka mpiara-miasa akaiky aminy no nanangantsampona, tsy iza io f’ilay efa tratra nitondra vola tamin’ny baoritra, na ilay depiote vola baoritra, no tratra indray koa nitondra antsokosoko voamboana tany Alaotra.
Mody hentitra i Ramatoa Filoha, miseho ho saropiaro amin’ny andrimpanjakana tarihiny, kanefa tsy hita izay fepetra noraisiny, ilay nanao fahadisoana moa dia sady tsy taitra no tsy rototra toy ireny olona madio tsy misy pentina ireny. Ingahy Filoha Rajoelina indray mailaka ery namoaka ny didy fanesorana an’Ingahy Minisitra miadidy ny raharahambahiny, dia lasa nifantoka tany ny mason’ny mpanarabaovao. Ny tiana amafisina, Ingahy Minisitra miala amin’ny toerana dia tokony ho vita eo ny resaka, fa ny nataon-dRamatoa “Solombavambahoaka Palissandre”, na “solombavambahoaka vola baoritra” kosa, sady fandikan-dalàna no fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny anaran’ny Antenimerampirenena, mendrika fanasaziana hentitra faran’izay hentitra izany.
Mikasika ny fandinihina ny lalàna mifehy ny tetibola 2022, ny nahazatra ny fitondrana Rajoelina dia ny fanaovana fanahy iniana amin’ny tsy famoahan’ny Minisitra miadidy ny fitantanambola ilay volavolandalana lasitra mialoha, mba hahafahana manao tian-kano tsy tian-kano izay voalaza ao, ka andrasana fotoana fohy mialoha ny fifaranan’ny fotoampivoriana vao haroso, amin’izay dia tsy misy ny adihevitra, fa dia fananganan-tanana tsy ampisainana no ataon’ireo mitonona ho maro an’isa.

Momba ny fifanatrehan’ny fahefana mpanantanteraka sy ny mpanao lalàna dia tsy misy ventiny satria toa fomba fanao fotsiny.

Maharitra roa volana ny fivoriana ara-potoana faharoa, tsy ilaina asiana resaka ny momba ny Antenimierandoholona satria olon’ny fitondrana avokoa no any, fa ny Antenimierampirenena aloha dia efa azo antoka fa tsy maintsy seza banga no mameno ny trano fivoriana, satria ho an’ireo solombavambahoaka indrindra f’ireo miaradia amin’ny fitondrana dia mazava ny ao an-tsainy, “mamboly voky tsy mamboly voky”, raha atao mahitsihitsy kokoa ny filaza azy dia na tonga mivory na tsia dia tsy maintsy mitomboka ny tambim-pivoriana na “indemnité de session”.

Ny fahefana mpanao lalàna no ahitana mpandika lalàna mihoa-pampana , ka ny tena fositra dia tsy ampiharina amin’izay nahavita ny heloka ny lalàna, fa toa vitavita ho azy ny resaka. Ilay ramatoa filoha dia mbola sahy manitrikitrika fa tsy ilaina hono ny fikaonandohampirenena, satria tsy misy krizy hono eto amin’ny firenena, asa inona no ilazana ireny latsabato niteraka adihevitra tany amin’ny Firenena Mikambana ireny sy ny halatra “pallisandre “ tany Alaotra ary ny vono olona tany Ikongo. Noho izany dia tsy misy ny azo antenaina amin’ireo parlemantera, satria ny mamaritra ny antsoina hoe krizy aza tsy hainy, ka tsy maintsy very fotsiny ny volambahoaka lanin’ireo mpanitsakitsaka lalàna sy mpingitrika fivoriana ireo.