RMDM Analamanga – Ravao ny HCC sy ny CENI, hiaraha-midinika ny ho mpikambana vaovao

Nangonin’i Helisoa

Nanao fanambarana momba ny raharaham-pirenena omaly, teny Bel’Air Ampandrana, ny rodoben’ny mpanohitra: RMDM Analamanga, tarihan’ny filohany Tsiry Ratsimbaharimanga. Nasongadin’izy ireo nandritra izany, fa tokony ho ravana ny HCC sy ny CENI ary hiaraha-midinika ny handrafetana ny ho mpikambana vaovao amin’ireo andrimpanjakana roa ireo:

“Manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny dia tsy afaka ny hitazam-potsiny izahay ato anatin’ny RMDM Analamanga, amin’ny maha mpanara-maso ny fiainam-pirenena anay ,amin’ny maha mpisehatra ara-politika, mpitondra vahaolana ary mpitsikera ny tsy fetezana misy eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny. Ny vahoaka no tompon’ny fahefana, izay nampindraminy ny mpitondra tamin’ny alalan’ny fifidianana, ka rariny ary adidin’ny olom-pirenena tsirairay ny manara-maso ny raharaham-pirenena ary mitaky ny tamberin’andraikitra amin’ireo olona nampindraminy izany fahefany izany. Noho izany dia, manao izao fanambarana izao izahay: mila ny fiaraha-mientan’ny olom-pirenena isan’ambaratongany ny fametrahana ny fampandrosoana eto amin’ny firenena. Tsy ho tonga amin’izany velively anefa isika raha mbola miharihary ny fahitan’ny olom-pirenena tsirairay fa tsy mipetraka ilay tany tan-dalàna, ilay fitondrana tsara tantana, vonona ny hitsinjo marina ny tombontsoa iombonana. Tsy ho tonga velively amin’izany fahavitrihan’ny olom-pirenena isan’ambaratongany izany isika raha toa mbola mahatsapa ny tsirairay, fa voahosihosy ny safidiny amin’izay olona tiany hitantana ny firenena. Tsy ho tonga amin’izany isika, raha toa mbola mahita ireo sarambabem-bahoaka, fa gaboraraka ny fitantanana ny volam-bahoaka sy ireo harena voa-janahary iombonana. Tsy ho tonga amin’izany isika, raha toa ka atao fialokalofana hanatanterahana asa ratsy sy fanodinkodinana ny harem-pirenena ny ahazoana fahefana. Tsy hipetraka ny fitoniana ara-politika, raha toa ka asiana fiandaniana ny fampiharana ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena. Manjaka ny ramatahora isan-karazany sy ny fanagadrana an’ireo olona tsy mitovy firehan-kevitra amin’ny mpitondra, raha toa ka malalaka kosa izany amin’ireo mpiara-dia aminy.

Mitaky izahay ny hamoahana ny marina mikasika ireo raharaha nafana niseho teto amin’ny firenena izay mila valiny avy amin’ny mpitondra (raharaha ecran plat, raharaha bonbon sucette, raharaha volamena 73Kg, raharaha volamena 36Kg, raharaha fanondranana zava-mahadomelina, raharaha Anjozorobe, raharaha Ankazobe, raharaha Antsakabary, raharaha solika, raharaha Ikongo, sns… Mitaky ny hanehoan’ny mpitandro filaminana, mba ho tena Tandroka aron’ny vozona marina, tsy hiditra ao anatin’ny raharaha politika, fa hijanona ho mpiaro ny vahoaka sy ny fananany. Vahaolana iray tsy maintsy hapetraka ny fanatanterahana ny fifidianana ao anatin’ny fangaraharana tanteraka ary hiarahana mamolavola sy mifampidinika ary manatanteraka ny hanatsarana izany. Mila mipetraka ao anatin’ny tsy fiandaniana (neutralité de l’administration), ary mametraka ny fahamarinana ireo rafitra rehetra iankinan’izany fifidianana izany, mba hisian’ny antoka ho an’ny vahoaka tompon’ny fahefana. Efa mametraka sahady aty amboalohany izahay, fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fanatanterahana io fanitsiana ifotony ny lisi-pifidianana io (Refonte de la liste electorale). Maro ny lesoka efa hita sahady ary tsapa fa kitoatoa tsy ao anatin’ny fenitra takiana amin’izao fitadiavana ny fahamarinana eo amin’ny lafiny fifidianana izao ny zava-misy.

Mitaky ny handravana ny HCC sy ny CENI, ka hiarahana mifampidinika ny hametrahana ireo mpikambana vaovao. Mitaky ny hifidianana ny filoham-pokotany, mba ho tena Tomponandraikitra marina eny ifotony. Tsy tompon’antoka amin’izay mety vokany haterak’ireo lesoka izahay, ka miala nenina ny tokony hirosoan’ny fitondrana ao anatin’ny “CONCERTATION NATIONALE”, izay hany làlana hahafahana mandamina ny firenena, sy antoka hirosoana ao anatin’ny fifidianana: madio, mangarahara, ary eken’ny rehetra. Miantso ny vahoaka rehetra ho mailo, ka hanara-maso amin’ny antsipiriany ny fanavaozana ifotony ny lisi-pifidianana ary mamporisika ny tsirairay hisoratra anarana, mba hahafahana maneho ny safidy amin’izay olona tiana hitantana ny firenena ary ho fanehoana ny fitiavan-tanindrazana. Firenena iaraha-manana ny firenentsika, ka tsy misy hanana tombontsoa ny hisian’ny korontana sy ny savorovoro.

Manainga ny FFKM, sy ireo Ray amandreny ara-panahy, ny Fiarahamonim-pirenena, ny communauté internationale, handray ny andraikiny manoloana ireo fitakiana rehetra ireo, mba ho tombontsoa iombonan’ny vahoaka Malagasy rehetra tompon’ny fahefana sy ny Tanindrazana: HO AN’NY TANINDRAZANA SY NY TOMBONTSOAN’NY VAHOAKA MALAGASY.”