EDITO 22 Oktobra – Miaina ny fanjakan’i Baroa ny firenena – Nampanginina ny raharaha “Depiote Vola Baoritra” sy hazo sarobidy

Sôh’son

Maneho miharihary fa mizotra ao anatin’ny fanjakan’i Baroa ny fitantanam-pirenena ankehitriny. Niezaka ihany ny manamafy izany ny fitondrana, tamin’iny fanapahan-kevitra nanàla amin’ny toerany ny minisitry ny raharaham-bahiny iny andro vitsy lasa izay. Fepetra noraisin’ny fitondrana taorian’ny fanehoan-kevitr’i Madagasikara tamin’ny fanaovan-tsonia momba ny raharahan’i Russie nanao fitsapan-kevi-bahoaka amin’ireo tanàna efatra lehibe any Ukraine. Na inona fanazavana sy fepetra noraisina, ny voalaza fa fanapahan-kevitr’ilay minisitra samirery momba izany fa tsy itovian’ny filohan’ny Repoblika hevitra aminy, dia maneho mazava ny fisian’ny manam-pahefana samihafa, fa tsy tokana amin’ny tranga iray amin’ny raharaham-pirenena.

Tsy vao tranga indray mandeha iny teto amin’ny firenena iny, fa nahatarafana izany teo aloha, fa ity fitondrana Rajoelina ity dia ambara mandrakariva eto amin’ny gazety, fa amin’ny lamba rovitra omby tondro tsy taitra, fa efa omby loha vao mikoropaka sy miseho mandray fepetra hatrany. Anisan’ny tranga niseho ny momba ny raharaha fandraràna ny hetsiky ny antoko Tim teny amin’ny Magro. Tamin’izany no nisian’ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny prefet an’Antananarivo sy ny « mpitandro filaminana » tamin’ny fepetra noraisina. Ny iray lazaina ho tompon’ny fitantanana an’Antananarivo amin’ny resaka toy izany, namela azy hiditra ao amin’ny foiben-toerany izay manokana mba hivory, fa tsy mahazo mivoaka ny toerana, ny mpitandro filaminana tsy namela mihitsy hiditra ary metatra maro miàla ny toeran’i Magro dia nodidininy avokoa. Toy izany koa no nitranga tany amin’ny faritra samihafa, ka anisan’ny nisongadina, ohatra ny tany Toliara, izay saika ho nanamarihan’ny filoha Ravalomanana ny tsingerin-taona nahaterahany. Niseho lany ireo sakana toy izany nahazo ny antoko Tim tany amin’ny faritra samihafa. Efa nanomboka nipoitra ilay endriky ny fanjakan’i Baroa sy efa nahazo vahana. Manampy izany, mitranga matetika ny fanamparam-pahefana ataon’ny olon’ny fitondrana sasany. Tsy nampiraika ny filohan’ny Repoblika izany, fa angamba ilay politikan’ny fitondrany mety aminy tsara. Dia ireny nipoaka mafy nataon’ny minisitry ny raharaham-bahiny ireny vao mikoropaka. Raha tsy sanatria efa kopaka isasahana izany sy niarahana ihany, fa misy indray ny sinemà araka ny hevitry ny olom-pirenena maro. Tsy azo atao ambanin-javatra izany fiheverana izany, fa efa milasitra ao an-tsain’ny maro noho ny fahitana ny zava-mitranga hatrany eo raharaham-pitantanana ny firenena. Tsy azo disoina izy ireo amin’izany, fa anjaran’ny fitondrana no mieritreritra lalina raha mbola manam-potoana hieritreretana handinihan-tena hanovàna ny fomba fiasa. Iny raharaha farany teo anivon’ny Firenena Mikambana iny aloha dia efa rano raraka tsy azo raofina intsony ary asa raha ho « voatsabo ». Ny tranga hiseho manaraka indray no andrasana.

Ankoatr’izany, ilay depiote ao amin’ny Boriboritany faha-2, ilay ambaran’ny maro ihany koa hoe: depiote vola baoritra, na depiote nitondra vola tamin’ny baoritra dia nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa ny talata teo, fa aoka izay tsy nanota no hitora-bato azy. Izany dia midika ny fanohanan’ity filohana andrimpajakana ity ny tsy maty manota, fanjakan’i Baroa marina no misy sy ampiainan’izao fitondrana Rajoelina izao ny vahoaka Malagasy. Tokony hanokatra fanadihadiana ny eny Tsimbazaza ny amin’ny nanaovany aferana hazo sarobidy farany teo ireny, ka ny mpampily indray no nidoboka am-ponja, fa ity olom-boafidy ity, izay nanao fahazoan-dalana tsy ara-dalàna toa mangingina ny raharaha momba izay amin’izao fotoana.