Fanambaran’i Etazonia – Toa manomboka ny fiafaran’ny fitondrana Rajoelina

Stefa

Manoloana ny naneken’ny Masoivohon’i Madagasikara any amin’ny Firenena Mikambana (ONU), sy ny ministeran’ny raharaham-bahiny Malagasy ny herinandro lasa teo, nanameloka an’i Rosia noho ny fibodoany tany any Ukraine, sy ny fananiham-bohitra ataony any Ukraine, sy ny fanalana ny ministry ny raharaham-bahiny Richard Randriamandranto ny talata teo, nisy ny fanambarana avy amin’ny Ambasadin’i Etazonia eto Madagasikara, mahakasika an’izay : « Faly izahay mijoro anilan’ireo firenena miisa 140 hafa manerantany, anisan’izany i Madagasikara sy ny Nosy Kaomoro, izay nisafidy ny hankato ny fehinkevitry ny Firenena Mikambana tamin’ny 12 Oktobra lasa teo, ka manohana ny sata mifehy ny Firenena Mikambana momba ny fanajana ny fiandrianam-pirenena ary koa manameloka ny fanafihana nataon’i Rosia an’i Ukraine, sy ny fakany tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny ampahan-tanin’i Ukraine. »

Mazava izay fanambarana izay, mankato ny fanapahan-kevitra noraisin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Malagasy tany New-York ny Amerikana, tsy mankasitraka kosa ny filazan’ny mpitondra ambony eto amin’ny firenena, miainga amin’ny filoha Rajoelina, fa tsy momba ny atsy na ny aroa i Madagasikara. Manomboka eto arak’izany, toa hanomboka ny fiafarana ho an’izao fitondrana Andry Rajoelina izao, izay tsy matotra amin’ny fanapahan-kevitra izay raisiny. Hita fa misy fikorontanana anatiny ao amin’ny fitondrana. Ho rava ny fitondrana miady an-trano, hoy izay fitenenana mifono fahendrena sy fahamasinana izay.

Tsy ny Amerikana irery ihany no hamely antsika eto Madagasikara, noho ny fizirizirian’ny fitondrana Rajoelina momba ny raharahan’i Rosia sy Ukraine izao, fa saika ny mpamatsy vola mahazatra dia hanasazy antsika avokoa hanomboka eto. Raha tsy hilaza afa tsy ny Frantsay, efa nanambara ny filoha Frantsay Emmamuel Macron tamin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana farany teo tany New-York, fa tokony handray fanapahan-kevitra ny rehetra hanameloka an’i Rosia momba ity fananiham-bohitra ataony any Ukraine ity. Tsy mankasitraka koa izy noho izany, ny tsy fombana amin’ny atsy na ny aroa izany, fa ekeny ny fanapahan-kevitra noraisin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Malagasy ny herinandro lasa teo.

Tia miovaova hevitra ny fitondrana Rajoelina, heverina fa hanaraka ny maro an’isa isika, ka tsy ho sazian’ny Amerikana sy ny Frantsay sy ny hafa,… momba ny ady any Ukraine ity. Ny vahoaka ihany mantsy no tena hiantraikan’ny fanapahan-kevitra tsy mahomby, sy tsy am-pisainana ataon’izao fitondrana Rajoelina izao hatrany.