Fitondrana Rajoelina – Manao tohivakana ny fahafaham-barakany

Andry Tsiavalona

Tsy mitsaha-mitohy vakana ny fahafahambarakan’izao fitondrana tarihan-dRajoelina Andry, filohan’ny Repoblika IV, andiany faharoa izao. Ankoatry ny redirediny tany amin’ny Fivoriaben’ny Firenena Mikambana tany New York farany teo, momba ny hanombohan’ny asa fanamboarana ilay làlana migodana mampitohy ny Renivohitra sy Toamasina ary ny filazany fa 140% ny ankizy malagasy no tafiditra an-tsekoly dia izao nandatsabato nanameloka an’i Rosia izao indray ny lehiben’ny diplomasia malagasy noho ny fanafihany an’i Ukraine izao.

Raha ny zava-misy eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka nandritra izay 4 taona izay aloha, ka nahitàna fa samy manao izay tiany atao ny minisitra dia toa marina fa ny minisitry ny Raharaham-bahiny tokoa no nandray fanapahan-kevitra samy irery. Nefa ny raharaham-bahiny dia anisan’ny ministera momba ny fiandrianam-pirenena, ka loha-laharana amin’izany ny filohan’ny Repoblika Rajoelina, noho izany tsy azo heverina ny tsy nanomezany baiko ny lehiben’ny diplaomasia Malagasy. Sarotra inoana ihany anefa izany satria ny fifandraisana ara-diplômatika amin’i Rosia mihitsy no voatohintohina kanefa ny mpitondra amin’izao fotoana izao dia nanao fifanarahana maro taminy, indrindra eo amin’ny ara-tafika. Tsy azo lavina koa anefa fa nanao adalàna ity minisitra ity fony izy ministry ny Fitantanam-bola sy ny Toekarena, izay minisiteran’ny fiandrianam-pirenena ihany koa kanefa dia nomena « promotion » izy ka nampiakarina tamin’ny ambonimbony kokoa. Araka izany dia sarotra inoana fa iny latsabato nataony iny dia heviny samy irery, fa tsy nifanarahana tao amin’ny governemanta, na nifanarahany tamin-dRajoelina Andry farafaharatsiny.

Nesorina tamin’ny toerana maha minisitra azy izy, saingy tsy tamin’ny fomba ofisialy izany satria tsy maintsy fivorian’ny filankevitry ny minisitra no manafoana ny didim-panjakana nanendrena azy sady manendry ny minisitra mpisolo-toerana. Nanaiky Randriamandrato Richard, fa nandatsa-bato nanameloka an’i Rosia kanefa tsy mbola fantatra izay ho tohin’ny tantara. Ny tsapa hatramin’izao dia tsy misy firaisan-kina mihitsy eo anivon’ny governemanta, satria samy manao izay saimpantany ny minisitra vitsivitsy. Araka izany dia ny filohan’ny Repoblika izay tomponandraikitra voalohany amin’ny fampandehanan-draharaham-pirenena mihitsy, no tsy mahafehy ireo olona eo ambany fifehezany, ka izy no tokony hahatsapa tena fa tsy maha tafavoaka ny Firenena ao amin’izao loza mianjady aminy izao.

Niteraka resabe ihany koa ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena nandritra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoana faharoa ny talata lasa teo. Ny mampametram-panontaniana dia fivoriana ara-potoana mialoha ny farany izao fivoriana izao, kanefa dia izao ity filohan’ny andrimpanjakana ity vao mahatsapa fa miaina ao amin’ny fifanitsaham-pahefana ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Ny fahefana mpanatanteraka (governemanta) indray no mampiantso ny fahefana mpanao lalàna (parlemanta), izay manan-jo feno (prerogative), hanara-maso sy hanakiana ny fanatanterahana ny tetikasa voafaritra ho vitaina manerana ny Firenena. Marina ny famerenana amin’ny laoniny ny andraikitra mifanandrify amin’ny andrimpanjakana tsirairay araka ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, saingy efa tara loatra izany satria raha tsy nisy ny raharaha navoasaringotra ny depiote IRD voafidy ao amin’ny boribiritany II eto an-drenivohitra Lanto Rakotomanga, momba ilay voamboana nalaina tany Ambatondrazaka, saika notaterina aty Antananarivo dia tsy niresaka momba izany izy. Tsara ny nieken’ity filohan’ny Andrimpanjakana ity, fa betsaka no manao hadalàna ny depiote, saingy heverina fa sarotra kosa no hanekena ny fiarovana an-kolaka izay « nanota », ka nilazany hoe: « izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy ». Fiarovana ny mpiray sokajy (corporatisme) no nataon’ny filohan’ny Antenimierampirenena, satria raha dinihana dia tsy nanota velively ny mpamilin’ilay fiara nitondra ny voamboana, satria nisy ny sonia sy ny kasen’ny depiote ny taratasy fahazoan-dàlana amin’izany, kanefa dia nampidirina am-ponja izy.

Manamafy ny fomba fijerin’ny politisiana ny tranga, fa rehefa voa foana vao mihilana ny mpitondra amin’izao fotoana izao, ka toa manao sarimihetsika hatrany eo amin’ny ataony rehetra. Ny vahoaka malagasy na dia efa asain-dRajoelina Andry mihinana ny tsy fihinana aza dia tsy manohitra izany fa maharim-pery, hono. Na izany na tsy izany, misy farany ny zava-drehetra, misy farany raha jiaby!