EDITO 20 Oktobra – 15 oktobra, andro iraisam-pirenena ho an’ny jamba – Jamban’ny vola ny mpitondra eto amintsika

Ny Valosoa

Isaky ny 15 Oktobra no marihana ny andro iraisampirenena natokana ho an’ireo manana olana amin’ny fahitana, raha atao mahitsihitsy kokoa dia ireo jamba izany.

Maro ny endrika fanamarihana izany, fa ny goavana indrindra sy fahita erantany dia ny fanentanana ny mpiarabelona ahafantatra ny lanjan’ny tehina fotsy na “canne blanche”, izay fitaovana tokony tsy hisaraka amin’ny jamba, iny tehina iny no atsangan’ireo jamba rehefa miampita arabe izy ireo, ireo manana fahitana dia tokony hanaja ilay mitondra tehina ary indrindra tokony hiezaka hanampy arak’izay azo atao azy ireo.

Eto amintsika dia mbola azo lazaina ho misedra fahasahiranana ireo manana fahasembanana na ara-batana na ara-tsaina, satria mbola miseho ireo endri-panilikilihana mivantana na ankolaka mihàtra amin’ireny sembana ireny.

Misy ny oha-pitenenantsika malagasy manao hoe ”ny alika jamban’ny taolana, fa ny olona jamban’ny vola”, fa ny tsy azo amaivanina ihany koa dia ilay manao hoe : “tsy misy jamba mihoatra izay minia manakimpy ny masony“.

Ireo oha-pitenenana telo ireo dia samy marina daholo saingy tsy hiady hevitra amin’ny ataon’ny alika isika, fa ny mahakasika ny olombelona no tiana asiana resaka, satria isika olombelona dia sokajiana ho manan-tsaina sy manam-panahy raha mitahy amin’ny biby.
Fa rehefa mandinika ny ataon’ireo mpitondra ankehitriny dia tsy maintsy miloabava ihany, satria efa diso tafahoatra loatra ny nataon’ny mpitondra sy mbola ataony ary ahiana tsy maintsy hataony, raha tsy hiresaka afa tsy ny hosoka niseho tamin’ny fifidianana nifanesy nanomboka ny taona 2018, ny fanosihosena ny lalàna sy ny fanamparampahefana miseho amin’ny endriny samihafa, ny fandrobana ny harempirenena sy ny fananan’olontsotra ary ny fampiasan-kery sy fahefana amin’ny olona tsy manan-tsiny.

Raha nitranga ireo tsy rariny voalaza ireo dia toa ninia nanakimpy ny masony ny ambaratongam-pahefana samihafa toy ny mpitandro filaminana, sy ny eny anivon’ny fitsarana sasantsasany, raha tsorina dia ireny ilay sokajiana hoe manamaso fa tsy mahita na mody jamba na asa inona ny azy ireny no mijery?

Ny azo amehezana azy dia jamban’ny vola no manakaiky kokoa ny marina raha ny mikasika ireo manao fihetsika mandrendrika firenena ireo.

Ny jamba mitondra tehina fotsy no mendrika fanampiana avy amintsika mahita, fa raha mikasika ny ataon’ireo mihevitra antsika ho jamba sy tsy ampy saina dia efa ampy izay ny fandeferana. Vahoaka mahiratra ny vahoaka malagasy, tsy ho azo fitahina intsony, mahay manisa sady mamaky teny, sady maro koa ireo mpanao politika sahy mijoro manazava ny sain’ny vahoaka sy mampahiratra ny mason’izy ireo, toy ny ataon’ireo mpikatoka “Tiako i Madagasikara“ sy “Rmdm”.