ONG St Gabriel, amboadia mitafy hodin-janakondry – Mambotry vahoaka, mampanolana lalàna, mampijabaka ny Fiangonana katolika

Ny Valosoa

Ny raharaha Be François sy ONG St Gabriel

Efa tany amin’ny taona 1985, Atoa Be François no nanajary ny tany mitondrana ny anarana “La Redoute” (TF n°3072-BA ), izay mirefy 2ha50a ao anaty ny fokontany Analamalotra kaominina Antetezamaro, Toamasina II. Ny 7 septambra 2007 dia nametraka fangatahana ho soratana amin’ny aranany ny tenany amin’ny alalan’ny “prescription acquisitive”.

Ny taona 2005, dia nanomboka nibodo io tany io ny ONG Frères de Saint Gabriel,ary niezaka ny hampikatso ny fangatahana nataon’Atoa Be François, ka ho izy ONG indray avy eo no hanao ny fangatahana (prescription acquisitive) ho amin’ny anarany.

Niakatra teny amin’ny Fitsaràna Ady Madio Ambaratonga Voalohany ny raharaha. Nivoaka ny 9 jolay 2008 ny didy izay nanome rariny an’Atoa Be François.

Fitsarana Ambony (Cour d’Appel) – Nampiakatra ny raharaha ny ONG St Gabriel ary dia nivoaka ny 2 aogositra 2011 ny didy izay mitsipaka ny didin’ny Fitsaràna voalohany. Isan’ny antony nentina nanamarinana izay didy izay ny fanambarana tampotampoka avy amin’ny ministeran’ny fambolena fa izy dia nanajary ny tany nandritra ny 40 taona!!!

Fitsarana Tampony (Cour de Cassation) – Niakatra ihany ny raharaha ary nivoaka ny 1 jolay 2016 ny didy izay nanafoana ny didin’ny Fitsarana Ambony, ary dia manome rariny an’Atoa Be François.

Pouvoir dans l’Intérêt de la Loi faha-efatra – Tsy nilavo lefona anefa ny ONG St Gabriel fa mbola nampiakatra ihany tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fitsarana. “Pouvoi dans l’Intérêt de la Loi” na PIL no nampiasainy tamin’izany.

Miisa telo ireo fangatahana PIL nataon’ny ONG St Gabriel, ary nolavin’ny ministeran’ny Fitsaràna daholo tamin’ny alalan’ny taratasy fampahafantarana ny 14 mey 2018, ny 13 janoary 2021, ary ny 22 martsa 2021.

Tafita ihany anefa ny ONG St Gabriel rehefa nampiditra fangatahana fahefany (n°22/21-PIL) ary nivoaka ny didy ny 27 janoary 2022 nilaza fa PIL tsy misy ambara na “sans objet”.

Fomba fitsarana tsy mbola fahita tato anaty 60 taona

Ny 12 desambra 2021 dia nangataka fandikana na “interpretation” (dossier n°01/21-INT) tamin’ny Fitsarana Ady Heloka ny ONG St Gabriel mikasika ny didin’ny fitsarana Tampony Ady Madio nivoaka ny 1 jolay 2016.

Ny 17 desambra 2021, na dimy andro ato aoriana fotsiny, dia voatsara ny raharaha ary nivoaka io andro io ihany ny didy (Arrêt n°712), manapaka fa averina hatrany am-boalohany ny raharaha na “STATU QUO ANTE”, izany hoe averina any amin’ny fotoana nampidirana ny fangatahana tany na “prescription acquisitive” ny toe-draharaha, dia foana teo izany ireo didy izay navoakan’ny ambaratogam-pitsarana rehetra. Zavatra mbola tsy fahita tao anaty 60 taona.

Tsy vitan’izay ihany fa nisy indray ny fangatahana fandikana na “interpretation” mikasika io didy fandikana tamin’ny 17 desambra 2021 io, fa amin’ny fitsarana Tampony Ady Madio indray. Ny 27 septambra 2022 no notsaraina ny raharaha, ary tapaka fa ahemotra ny raharaha. Saingy rehefa samy rava nody ny rehetra, dia nisy ny tsindry avy any ambony ary nampanantsoina indray ireo olona hitsara ary hamoaka ny didy iny andro iny ihany. Mazava fa mifanaraka amin’izay tapaka tany amin’ny fitsarana Ady Heloka ihany, no didy nivaoka (AN°793) tao amin’ny Ady Madio.

Ny tohiny anefa dia dimy andro aty aoriana fotsiny, dia mametraka vato fototra eo amin’ny tany “La Redoute” ny filohampirenena sy ireo lohandohan’ny fiangonana katolika, kardinaly, arseveka, eveka. Toa tonga dia efa misoratra amin’ny ONG St Gabriel izany ny tany, ary hanaovan’ny fiangonana katolika fanorenana.

Raha izay no ekena dia manjary azo atao izany ny manafoana ireo didy rehetra izay navoaka tao anaty raharaha iray izay tonga eny amin’ny Fitsaràna Tampony amin’ny alalana Fandikana na “interprétation”, dia averina hatrany am-boalohany ny raharaha. Mazava fa voahitsaka ny Lalampanorenana ary voa maika manatevina ny kolikoly izany fanao izany. Inona no ambaran’ireo ireo mpahay lalàna manoloana izao fitsarana mibiririoka izao?

Very zo ve ny olompirenena tsotra manoloana ny vahiny?

Maro ireo olona nanajary ny tany nandritra ny 20 taona toa an’Atoa Be François, ka nampiditra fangatahana na “prescription acquisitive”, araka ny soritan’ny lalàna momba ny fananantany (article 82, ordonnance n°60-146, 3 oktobra 1960). Koa raha misy vahiny mibodo ny tanin’izy ireo izany ka manao kolikoly sy manolona ny lalàna toa izao, dia very zo izany ireo izay nanajary sy ireo izay mety nividy ny tannin’izy ireo taty aoriana, ka ho voafafa indray pimaso eny amin’ny sampana fananantany na “service des domaines” ny “titre” izay azo ara-dalàna? Amin’ny fomba ahoana moa no ahafahan’ny ONG St Gabriel mampanoratra ny “titre” amin’ny anarany eny amin’ny “service des domaines”?

Toa tsy natao hikatsaka ny rariny sy ny hitsiny intsony ny Fitsaràna fa natao hiaro ny tombontsoam-bahiny. Very zo ve izany ramalagasy?

Antso ho an’ny Fiangonana Katolika

Tamin’ny 2 oktobra, ny filoha mamimbahoaka Andry Nirina Rajoelina no niaraka tamin’ny kardinaly, arseveka sy eveka maro, nametraka vato fototra eo amin’ny tany “La Redoute”. Eo anatrehan’ny savorovoro ara-pitsarana mikasika io tany io, zo avy aiza moa no hanaovan’ny Fiangonana Katolika fanorenana eo?

Inona loatra no antony isisihan’ny Fiangonana Katolika ka iraisany petsapetsa amin’ny ONG St Gabriel, ka tonga hatrany amin’ny fanolanana ny lalàna mba hibodoana ny tanin’Atoa Be François, izay efa nomen’ny fitsaràna amin’ny fomba ara-dalàna? Raha resaka tany, tsy efa manana tany maro be ve ny fiangonana katolika?

Ny ONG Saint Gabriel, naorin’ny frera karana Edwin Joseph, dia indro fa mialokaloka toy ny amboadia mitafy hodin-janakondry, ao ambadiky ny fiangonana katolika. Hatreto dia tsy io tomponandraikitra mihitsy no tazana mikarakara ny rahaharaha sy ny tetikasa, fa ny kardinaly sy ny “vicaire general”. Fifanarahana inona loatra no afenin’izany?

Antsoina ny tomponandraikitry ao amin’ny fiangonana katolika mba hanokatra ny masony sy handinika akaiky izao toe-javatra tsy rariny izao ary ho tonga saina fa tanin’olona ara-dalàna no kasainy hanaovana tetikasa. Sao lahy olom-piangonana natao ho modely sy hitsikitsika ivavahana indray ity no manosihosy ny zon’ireo mpiara-belona sy mampanaonao foana ny Fitsaràna!