Fifandraisana iraisam-pirenena – Tsy voafehin’ny fitondrana Rajoelina ny diplaomasia Malagasy

Aly

Hita fa tena tsy voafehin’ny fitondrana Rajoelina ny diplaomasia Malagasy, eo amin’ny sehatry ny fifandraisana iraisam-pirenena. Ny herinandro lasa teo, nandatsa-bato ho amin’ny fanamelohana an’i Rosia, noho ny fananiham-bohitra ataony any Ukraine ny Malagasy tao anivon’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana (ONU), tany New-York Etazonia. Nanatanteraka izany fandatsaham-bato izany ny ao amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Malagasy, tamin’ny alalan’ny Masoivohontsika ao amin’ny ONU.

Andro vitsivitsy tao aorian’izay fanamelohantsika ny Rosiana izay anefa, dia nisy fanambarana hafa nilaza, fa tsy nahazo alalana tamin’ny fitondrana foibe izany latsa-bato natao tany New-York izany ary ny Praiministra dia nanambara, fa mijanona ho tsy momba ny atsy na ny aroa ny firenentsika na nisy aza izany.

Raha ireo vaovao ireo no alalinina, toa misy fitondram-panjakana 2 izany izao no mitondra an’i Madagasikara: voalohany: ny governemanta Rajoelina-Ntsay misy ny foibeny eto Madagasikara, izay tsy manameloka an’i Rosia amin’ny ady ataony amin’i Ukraine. Ny faha-2: ny governemanta Malagasy any ivelany, mba tsy ilazana hoe ao amin’ny ONU, izay manameloka tanteraka ny Rosiana amin’izao fanafihana ataony ny Ukrainiana izao.

Zavatra hafa ilazana koa fa tsy voafehin’ny fitondrana Rajoelina ny diplaomasia sy ny fifandraisana amin’ny any ivelany, herintaona latsaka tsy hahataperan’ny fotoam-piasan’izy ireo, firenena 14 nisy Ambasadaorontsika teo aloha, no mbola tsy voatendry hatramin’izao ireo Masoivoho any.