EDITO 18 Oktobra – Ady amin’ny doro tanety sy doro ala – Vonjy tavanandro ny vahaolan’ny fitondrana

Stefa

Mirehitra i Madagasikara amin’izao fotoana, ny ministera tompon’andraikitra no efa manome ny tarehi-marika mahakasika an’izany, fa mahatratra hatramin’ny 1000 na mahery aza, ny toerana misy afo mirehitra eto amintsika tato ho ato. Manoloana izany, vahaolana vonjy tavanandro ihany no hitan’ny fitondrana, izay tarihan’ny ministera tompon’andraikitra dia ny ao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy.

Nisy ny tagnamaron’ny tontolo iainana natomboka ny zoma teo, ireo mpiasam-panjakana amin’ny ministera, ny mpitandro filaminana no noterena nanao izany asa famonoana afo vokatry ny doro tanety sy ny doro ala izany. Mitaraina ireo mpiasan’ny ministera amin’izao fotoana noho ny fanerena amin’izany famonoana môtro izany, satria tsy asan’izy ireo izany, fiaraha-miasa matotra amin’ny olona eny ifotony no anisan’ny vahaolana amin’izany hoy izy ireo, satria izy ireo no mahalala, iza no mety tia milalao afo any anivon’ny fiarahamoniny any, ka ny fampandraisana anjara mivantana azy ireo amin’izany famonoana afo izany no tena anisan’ny vahaolana voalohany.

Vonjy tavanandro ihany ny fitondrana mpiasa hanao izany asa izany, fisehosehoana fotsiny, na ny fitaovana iadiana amin’izany môtro izany aza dia voalaza fa tsy ampy akory, tsy hain’ireo tonga tany an-toerana akory ny fampiasana azy. Ankoatra izany, ny ministra dia ministra tanora, zandriny indrindra ao amin’ny fitondrana, ka tsy ampy traikefa amin’ny ady goavana toy ny ady amin’ny doro tanety sy ny doro ala toy izao, efa fantatra fa mety hisy foana isaky ny fotoanan’ny lohataona toy izao ny firehetan’ny ala sy ny tanety, tokony hisy ny paikady matotra mialoha, iarahan’ny ministera sy ny mponina eny ifotony ho fiatrehana izany. Ny irariana dia mba ho resy haingana ny afo mandoro ny firenena izao!