ILAY FANONDROTANA KARAMA TSY FAHITA ERAN-TANY

Fanondrotana karama tena tsisy tokontaniny?
Mariky ny tsy fahaizany sy ‘reo olona eo ambaniny.
Midi-kizo ny mpitarika izay tsy dia manadihady,
Ka manolo-bahaolana mampivarina any an-kady!

Fanondrotana karama kilalao sa vazivazy?
Sa ny laza ho an’ny tenany, izay no mahadodona azy?
Ny mpisehatra rehetra, tsy afaka naneho safidy,
Fa ny loha efa matsatso no avy hatrany dia nandidy!

Fanondrotana karama toa vao mainka hampidi-doza.
(Mariky ny fitantanana efa mitsingozahoza!)
Ny mihoerahoera hatrany no mba tiany sady maminy,
Fa ny tombontsoan’ny mpiasa, tena tsisy vidiny aminy!

Fanondrotana karama mbola tsisy teto an-tany.
Tena vitsy ireo “tsy miankina” izay nisitraka an’izany,
Fa napetraka ho teny ka dia indro fa nanidina,
Ary hisy tsy ho ela ny karama izay haidina!

Fanondrotana karama “mampihomehy” raha toa adika.
Tena lasa famitahana ny fanaovam-politika!
Akaiky ve ny fifidianana dia manondrana ny ngeza,
Ka mamoron-teti-dratsy hoenti-manamafy seza?

IRINA HO TAFITA (14-10-22)