Raharaha OMDA – Lasa ministeran’ny sorisory ny ministeran’ny serasera

Beharo

Raharaha OMDA, namalan-kira ny ministra Lalatiana, hoy ireo artista mpikambana ao amin’ity ôfisy mpiaro ny zon’ny mpamorona ity. Tsy naharitra intsony ny fianakaviamben’ny mpanakanto teny Faravohitra ny alakamisy lasa teo, ka dia niantsoantso nanao hoe: Prezida o! Saraho! Saraho! misy ratsy fanahy ao! Tsorina fa ny minisitry ny serasera sy kolontsaina Lalatiana Andriantogarivo Rakotondrazafy, no lazain’izy ireo mivantana amin’izany, manimba endrika mihitsy ka tokony sarahana amin’izy ireo, satria be loatra ny politikan’ny antoko Freedom amin’izy ireo sy ny OMDA iray manontolo amin’ny ankapobeny, ka miteraka fisaraham-bazana eo amin’ ny zava-kanto sy kolontsaina mihitsy aza.

Tsy mbola nandray ny tambin-karamany ireo artista hatramin’ny volana febroary, tsy voahaja ny kalandrie fandraisam-bola, very laza ny sehatry ny kolontsaina, hira sy vazo sy ny sisa… ka mahatonga azy ireo hilaza fa tokony sarahana ho ministera roa (2) samy hafa mihitsy aza, satria efa tsy zakany intsony ary tokony hakatona vonjimaika aloha ny Omda, mandra-pahalany ny fanavaozana ny tolo-dalàna mety sy mahasoa eo indray.

Very Zo tanteraka ny mpanakanto hoy izy ireo, nefa na ny asa serasera aza etsy ankilany dia efa nandeha lalan-tsarotra ihany koa raha ny voalazan’ ireo tao amin’ny cellule de crise, izay mbola hita sy tsapa fa fisarahana mibaribary eo amin’ny samy mpanao gazety sy ny holafitra mihitsy koa: “Tsy ny hira ihany no mivalana eto hoy ny maro; fa ny serasera koa lasa sorisory” ka manahirana. Nanambara mihitsy ireo mpanakanto, fa ny ministera MSK dia efa lasa ho Ministeran’ny Setrasetra sy ny Kakay mihitsy.