64 taona ny Repoblika Malagasy – Voahosihosy ny sata Repobliana

Ny Valosoa

Ny 14 Oktobra 1958 no nijoro ny Repoblika malagasy voalohany, tao amin’ny Amphitheatre-n’ Lycée Galieni Andohalo no nanambarana izany,izay tsiahivina fa vokatrin’ny fitsapankevibahoaka nampanaovin’ny fitondrana frantsay no nampijoroana io repoblika voalohany io.

Novaliana tamin’ny “eny ’’ na “tsia’’ tamin’ny 28 Septambra 1958 ny fanontaniana manao hoe: “ekenao ve ny repoblika anaty firaisambe frantsay?’’, nandresy ny “eny “, toy ny tany amin’ireo firenena afrikana zanatany frantsay izay samy nanaovana fitsapankevibahoaka avokoa.

Efa tafajoro ny repoblika izay vao nirosoana ny fitakiana ny fahaleovatena, izay niverina tamin’ny 26 Jona 1960.

Raha tsorina sy atao mahitsy filaza ny antsoina hoe repoblika dia rafi-pitondrana izay manome lanja ny fifidianana, ka ny mpitondra dia tokony ho olona voafidimbahoaka ara-dalana.

Efa repoblika fahaefatra isika izao saingy ny mampisitribelona dia ity repoblika fahaefatra iainantsika ity no fositra indrindra, satria ny fomba nandaniana ilay lalampanorenana tamin’ny fitsapankevibahoaka dia fifidianana petatoko feno hosoka, hatramin’ny karapokotany aza nahafahana nifidy tamin’izany, ny fifidianana nifanesy teto amin’ny firenena nandritr’izao repoblika fahaefatra izao indrindra ny taorian’ny taona 2018 dia nanjakan’ny hala-bato bevata, ny Filoha lefitrin’ny Ceni Thierry Rakotoniarivo izay nijoro nilaza ny marina dia noterena nametrampialana.

Ho tanterahina amin’ny taona 2023 indray ny fifidianana Filoha sy Ben’ny tanàna ,hanaraka eo ny fifidianana solombavambahoaka, kanefa dia io iarahamahita io fa vao mainka tsy azo antoka noho ny teo aloha ny “Ceni’’ sy “Hcc’’.

Feno 64 taona omaly 14 Oktobra 2022 ny nijoroan’ny Repoblika voalohany , efa repoblika maro no nifandimby teo ,ary anterina indray f’ity fahaefatra ity no tena nanosihosy ny sata repoblikana, satria nanjakan’ny hoso-pifidianana be indrindra ary manao tsinontsinona ny vahoaka maharepoblika ny repoblika, satria maro ireo fifidianana ben’ny tanana tokony naverina, kanefa dia tsy miraharaha izany ny fitondrana, ny fifidianana eny anivon’ny faritra sy ny faritany dia maty momoka fa dia governora toy ny tamin’ny andron’ny fanjanahantany no tendren’Ingahy Filoha, hitondra ireo faritra.

Mila mandinika sy mamakafaka ny vahoaka tompompahefana izay maharepoblika ny repoblika, satria efa tsy mihoatra ny kapoaka ankehitriny, 64 taona taorian’ny nisian’ny fitondrana nambara ho repoblikana teto amintsika.