Birao politikan’ny TIM – Mikorontana tanteraka ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana

Isambilo

Nanao fanambarana ny birao politikan’ny antoko TIM, notarihan’ny sekretera jeneraliny Rina Randriamasinoro tamin’ity herinandro ity, mahakasika ny fanomanana fifidianana.

Nilaza izy fa: “mialohan’ny hanaovana ny “refonte” na fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana dia efa nisy ny fihaonanay tamin’ireo tompon’andraikitry ny CENI, nanomezana sosokevitra amin’ny hanaovana izany.

Araka ny tatitra sy fitarainana avy amin’ireo tompon’andraikitra solontena eny ifotony anefa, dia tsy mandeha araka ny tokony ho izy fa mikorontana tanteraka izany, ary raha izao no mitohy dia maro ireo tsy ho tafiditra any anaty lisipifidianana, ary maro koa ireo tsy tokony ho ao intsony kanefa mbola ho tavela ao. Tsy ho tomombana io lisitra io ary tsy hisy ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra raha ny zava-misy amin’izao fotoana.

Ny antoko TIM dia milaza fa tsy hiray petsapetsa ary tsy tompon’antoka amin’ny fanomanana ny lisi-pifidianana tsy tomombana izay havoaka eo, ary mbola manamafy fa tsy misy afa-tsy ny “concertation nationale”, na fikaonandoham-pirenena ihany no vahaolana ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy, sy ho tombontsoa ambonin’ny firenena”.