NY MIARAMILA SY ZANDARY

Ny miaramila sy zandary dia tsy ny olona tsy marina,
Ampiasain’ireo lehibeny mba hiarovana kapoaka,
Tsy iretsy jiolahy sy antokon’ olona nozarina
Mba hiaro ireo rehetra izay naloan’ny vahoaka.

Ny miaramila sy zandary dia tsy ny olo-maizin-tsaina
Tia mamono iretsy hafa tsy mitovy hevitra aminy,
Ary koa tsy sanatria ireo efa tena ratsy fiaina,
Ka ny fahorian’ny hafa no lalainy sady maminy.

Ny miaramila sy zandary dia tsy ‘reo mpipetrapetraka
Toy ny olona tsy an’asa, tsy mahita izay hombàna,
Tsy ireo nokaramaina mba hamono sy hihetraketraka
Ka mirotsaka ho sakaizan’ny mpanongam-panjakana.

… Ny miaramila sy zandary dia tsy ‘reo hitazantazana,
Fa ho mpiaro ny vahoaka sy ho mpiaro ny fananany.
Hampanaja ny LALÀNA sady HO AN’NY TANINDRAZANA,
Izay no tena velirano sady teny fianianany.

TSIMIMALO (08-10-22)