Kopia sy karapanondro faobe – Fikarakarana hala-bato no ataon’ny fitondrana hoy ny Diaspora La Reunion

Nangonin’i Stefa

Nanao fanambarana ny Diaspora Malagasy atsy La Reunion mahakasika ny fanomanana fifidianana eto amintsika:
”Izahay olom-pirenena manaja ny demokrasia eto La Réunion dia manohana tanteraka ny fanambarana nataon’ny fiarahamonim- pirenena mahakasika ny resaka « jugements supplétifs », na fanaovana kopia sy karapanondrom-pirenena maimaimpoana faobe, kasain’ny Fanjakana atao mialohan’ny fifidianana.

Hita taratra tokoa fa fikarakarana hala-bato no tanjona tian’ny Fanjakana hahatongavana, ka ho krizy indray no haterak’izany.

Manoloana ny savorovoro maro samihafa, dia tsy misy afa-tsy ny fikaonandoham-pirenena, handraisan’ny rehetra anjara, no vahaolana hitondra fitoniana eto amin’ny Firenena.

Manainga ny fitondram-panjakana, mba tsy hanao be marenina, ary mba hijery
ny tombontsoa iombonan’ny Malagasy, fa tsy ny tombon-tsoan’olom-bitsy no jeren’izy ireo.
Miantso ny FFKM sy ireo mpanelanenana rehetra, mba hijoro ho Ray amandreny azo itokisana, ka hanao izay hirosoana amin’ny fifidianana mangarahara eken’ny rehetra.”