EDITO 15 Oktobra – Maromaro ireo olon’ny fitondrana nanondrana sy manondrana

Stefa

Miha-maro tato ho ato ny raharaha hafahafa na afera mahavoatonona depiote eto amintsika, na ny mpiara-miasa amin’izy ireo. Misy fanamparam-pahefana, kolikoly, tsy fahaiza-miaina amin’ny fiaraha-monina, fangalarana ankitsirano fotsiny izao, sns…

Miteraka ahiahy sy savorovoro any anaty fiarahamonina ireny, satria toa ny noheverina fa ray amandreny, fahefana mpanao lalàna indray no manondrana sy sanatria manome ohatra ratsy ho an’ny vahoaka. Ny mpanao lalàna tokoa no lasa ohatra ratsy mandika lalàna, ka tena maha-sarom-piseranana sy mampikorosy fahana ny fiarahamonina eto amintsika.

Hivory ara-potoana faharoa hanomboka ny talata ho avy izao ny Parlemanta eto amintsika dia ny Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenena, koa dia samy miandry ny rehetra hoe inona ny fanazavana, inona ny zavamisy marina, ahoana ny hevitry ny birao maharitry ny Antenimierampirenena, mahakasika ireny olom-boafidy nanondrana sy manondrana ireny. Mbola mahalala tsara ny andraikiny ihany ve ny solombavambahoaka, sa efa lasa mpandraharaha, mampiasa fahefana hanindriana bokotra sy hangoronan-karena fotsiny sanatria?

Tokony hanokafana fanadihadiana sy famotorana izy ireny, ary tokony hoesorina ny zo maha-tsy maty manota azy na immunité, rehefa ho hita tokoa fa meloka. Tsy ny depiote sy ny mpiara-miasa aminy ihany no manondrana amin’izao fitondrana Rajoelina izao, fa na olom-boafidy izay, na olom-boatendry dia samy manao ny ataony avokoa. Saika isan-kerinandro izao dia ahitana zavatra tsy mety na « scandal » foana ao anivon’izao fitondrana izao. Io, ny lohany mihitsy no matsatso sy filamatry ny aty ambany, koa tsy mahagaga raha mitranga hatrany izany zava-tsy manjary isan-karazany ao anivon’ny fitondrana izany. Dia ny tena no menatra hoy ilay fomba fiteny izay.