Lemaka Bas Mangoky – Mety hiteraka hatezeram-bahoaka ny fizarana tsy ara-drariny tany

Helisoa

Nandefa taratasy misokatra teo anivon’ny Banky Afrikana misahana ny Fampandrosoana (BAD) ny komitin’ny olon-kendry misaina, mikasika ny ho avin’ny leamaka Bas Mangoky na CRDBM. Amin’ny maha fikambanan’olon-kendry azy ireo dia tanjona ny hisian’ny fandrosoana ara-tsosialy, indrindra ny toekarena any an-toerana.

Anton’izao taratasy misokatra izao hoy ny CRDBM, ny fampahafantarana anareo ny zava-misy marina momba ny fitsinjaràna sy ny fizarana ireo tany mikasika ny tetik’asa fanitarana an’i Bas Mangoky. Niaraha-nahita izany nandritry ny fidinana ifotony nataonareo tao Antanandava Station. Tsikaritra ho manimba zavatra maro ny dingana volen’ireo mpikamban’ny CAT strategique (Comite d’Attribution des Terres) izany, hoy ny fanambarana. Tsy nasian’ireo lanja ny fangatahan’ny komitin’ny olon-kendry sy ireo vahoaka ety ifotony ny hanaovana dinika an-databatra boribory, handinihana sy hijerena ny vahaolana mety amin’ny rehetra hoy hatrany ny CRBDM. Mampitandrina noho izany ny komitin’ny olon-kendry fa mety hiteraka hatezeram-bahoaka izao fiziriziriana izao.

Hamafisin’ny vahoaka any an-toerana ny hamerenana amin’izy ireo ny taniny, araka ny fifanarahana tamin’ny voalohany tamin’ny BAD sy ny fitondrana, milaza fa ny 75% ny tany dia miverina amin’ny vahoaka, fa ny 25% no homena ny fitondrana, hotsinjaraina amin’ireo mbola tsy manana tany ao Bas Mangoky, mba hahafahan’izy ireo mamokatra koa, indrindra ny mamboly vary.