Kaominina Ivato – Vita tanteraka ny lalankely nampijaly ny mponina teny Mandrosoa

Helisoa

Manao ny hezaka rehetra amin’ny fanalàna fahasahiranana ny mponina ao anatin’ny kaominina Ivato ny ben’ny tanana Penjy Randrianarisoa, izay lany tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara TIM. Maro ny fotodrafitr’asa izay efa vitany izay efa notokanana satria araka ny nambaran’ny ben’ny tanana Penjy Randrianarisoa dia izay no antom-pisiany sy nifidiananan’ny vahoaka azy.

Ankehitriny, vita tanteraka ny asa fanamboarana ny lalankely eny Mandrosoa Ivato izay nampikaikaika ny mponina, nampanainga zipo isaky ny tonga ny fahavaratra. Mandeha koa ny asa eny amin’ny fokontany K1 sy K5 izay lalana natao beton ihany koa. Ny route Principale eo Ivato sy ny ao amin ny fokontany K6 ihany koa dia ho vita tsy ho ela. Faly ny mponina ka nisaotra ny ben’ny tanana Penjy Randrianarisoa satria tena afa-pahasahiranana tanteraka izy ireo.

Hitanay ianao Atoa Ben’ny tanana fa miasa ho an’ny vahoaka ao amin’ny kaominina Ivato, ka hirarianay ny hitohizan’ny fanamboarana foto-drafitr’asa toy izao hatrany. Ny ben’ny tanana moa dia nanambara fa kaominina Ivato mamiratra sy mandroso no tanjona, ka tsy mitsahatra isika hoy izy raha tsy tody hatramin’ny farany izany.