5 taona ny nahalasanan’ny filoha Zafy – Toa niara-maty taminy ny fahamarinana sy ny fahafahana ary ny fampihavanam-pirenena

Ny Valosoa

Afak’omaly 13 Oktobra 2022 no feno dimy taona katroka ny nahalasan’ny Filoha Zafy Albert, ny 13 Oktobra 2017 izy no nodimandry tatsy amin’ny Nosy La Reunion, satria nalefa notsaboina tany izy rehefa nolazoin’ny aretina teto antanindrazana.

NY FILOHA ZAFY ALBERT MPITSABO

Niofana ho mpitsabo izy ary anisan’ireo mpitsabo mpandidy nampiaiky ny vazaha sy ireo afrikana niaranianatra taminy,nanavanana azy ny fandidiana momba ny taolana, ny taovampisefoana ary izy no manampahaizana taty amin’ny kaontinanta afrikana nahavita nanolo ‘’pile ‘’ nampandeha ny fo ho an’ireo nila izany, fa ny tsy azo amaivanina nandritra ny fotoana nanaovany ny asa fitsaboana dia zara Ny Pr Zafy Albert raha maka vola amin’ny olona tsaboiny na didiany, matetika aza tamin’ny fotoana nandehanany nitsidika faritra maro teto amintsika, izay nanarabiana azy ho mpanao ‘’madaraid’’, dia mbola mirotsaka mandidy any amin’ireo hopitaly andalovany izy raha sendra nisy ny marary nila fandidiana maika ary maimaimpoana ny nanaovany an’izany.

TEO AMIN’NY SEHATRA POLITIKA

Tamin’ny taona 1972 no notendren’ny Jeneraly Ramanantsoa ho minisitra niadidy ny raharaha sosialy nisahana momba ny fahasalamana sy ny mponina ny Pr Zafy Albert, rehefa rava ny fitondrana notarihin’ny Jeneraly Ramanantsoa dia nangina nandritran’ny taona maro ny Pr Zafy, fa taorian’ny naharavan’ny mandatehezampirenena miaro ny tolompiavotana izay nampalalaka ny fananganana antoko politika dia niverina teo amin’ny sehatra politika indray izy, ary nanangana ny antoko Undd, iray amin’ireo antoko mpikambana tao amin’ny Hery Velona,nitarika ny hetsika teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey nitakiana ny fananganana ny Repoblika fahatelo.

Nandray anjara tamin’ny diabe nankeny amin’ny Lapan’Iavoloha ny Pr Zafy ny 10 Aogositra 1991, ary vokatr’izay tolombahoaka izay dia ny Pr Zafy Albert no neken’ny fifanarahana 31 Oktobra1991 nosoniavina tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo, ho Filohan’ny Fahefana Avompanjakana,izay fahefana faratampony tamin’izany.

Lanimbahoaka tamin’ny fitsapankevibahoaka aradalana ny fijoroan’ny Repoblika fahatelo ary voafidy ho Filohan’ny Repoblika Ny Pr Zafy Albert ny taona 1993, kanefa dia tratran’ny fampiatoana tamin’ny taona 1996, nisy indray ny fifidianana ka ny Amiraly Ratsiraka no voafidy sy tafaverina teo amin’ny fitondrana.

Taoriana ny zavadoza niseho tamin’ny taona 2009, dia nijoro indray ny Filoha Zafy Albert nandritran’ny fihaonan’ireo Ankolafy efatra notarihin’ireo filoha voafidimbahoaka telo dia Ratsiraka sy Zafy ary Ravalomanana sy ny filoha nandroba fahefana tamin’izany dia i Rajoelina, ny fihaonana tany Addis Abeba no nametrahana ny Pr Zafy Albert ho filohan’ny Filakevimpirenena momba ny fampihavanana, kanefa dia tsy tanteraka izany satria notsipahin’Ingahy Rajoelina ny fifanarahana ‘’Maputo’’ na dia efa nosoniaviny aza

TRATRA NY HERISETRA HATRANY NY FILOHA ZAFY ALBERT

Nahasahy nijoro hatrany tamin’ny fiarovana ny fahamarinana ny Filoha Zafy Albert,nisy ny fampahafantarana ampahibemaso nataony tetsy amin’ny ‘’ Carlton’’ Anosy,nilazana ny fisian’ny fanondranana antsokosoko ireo andramena, ka ny havana akaikin’ny mpitondra tamin’ny tetezamita izay mpitondra amin’izao fotoana izao no tompon’andraikitra tamin’izany, nametraka fitoriana teny amin’ny ‘’Bianco’’ sy ny fitsarana Ny Filoha Zafy Albert momba io raharaha io, kanefa dia nambaran’ny fitsarana fa tsy azo noraisina ny fitoriana, tsy vitan’izany fa mbola tratran’ny fanapoahana baomba mandatsadranomaso ny Filoha Zafy Albert tamin’izany.

Ny 17 Janoary 2012 raha nikasa hametraka fehezamboninkazo tao amin’ny ‘’kianjan’ny demokrasia ‘’ tetsy Ambohijatovo ny Filoha Zafy Albert mivady, dia voarara tsy afaka niditra tao, fa teo ivelany no napetraka ilay fehezamboninkazo, fa ny tena zavadoza dia mbola narefotra indray ny baomba mandatsadranomaso,ka tratran’izany izy mivady, izay marihina fa 85 taona ny Pr Zafy tamin’izany.

NY FILOHA ZAFY SY NY TANANAN’ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Ramatoa Lalao Ravalomanana Ben’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra tamin’ny fotoanandro, dia nanome lanja ny zavabitan’ny Filoha Zafy Albert,ka nampitondra ny anaran’ny Filoha Zafy Albert ny lalana mandalo eo amin’ny Kianjan’Alarobia sy ny ‘’Villa Elizabeth’’ ary ny ‘’Villa La Franchise’’ eny Ivandry,ny tenandRamatoa Ben’ny tanàna mihitsy no nitokana ny lalana sy ny sary vongana tamin’izany, dia mba nandray fanapahankevitra koa Ingahy Mera Vazahabe nametraka ny tsangambaton’ny Filoha Zafy Albert ao anatin’ny Kianjan’Ambohijatovo, kanefa dia zary fandatsana ihany izany, satria ilay kianja tsy navela nidiran’ny Pr Zafy mivady raha nikasa hanatitra fehezamboninkazo dia vao mainka lasa kianja voarara ankehitriny, ilay kianja nambaran’ny filoha ankehitriny hoe ‘’ kianjan’ny demokrasia ‘’,indrisy fa mampigadra ny miantso vahoaka haneho hevitra ao.

Feno dimy taona ny nahalasan’ny Filoha Zafy Albert, indrisy fa toa nalevina niaraka taminy koa ny fahamarinana izay nijoroany fatratra, ny fahafahana izay nimatimatesany tanteraka ary ny fampihavanampirenena izay nilofosany andro aman’alina, raha mandinika ny ataon’ireo izay nahazo fahefana ankehitriny, tsy atao mahakivy anefa izany satria tsy ny fositra akory no tsy ambolemboavahy hoy ny fahendrena malagasy, ary tsy maro an’isa akory ireo nahazo fitondrana ireo, satria mbola maro ireo mpiray tanindrazana amintsika manampanahy, manampitiavantanindrazana mbola vonona hijoro handrava ny tsy rariny ary sahy hanohy izay nisasaran’ny Fioha Zafy Albert, ka ny fanatanterahana ny fikaonandohampirenena no dingana voalohany amin’izany.