EDITO 13 Oktobra – Mirehitra i Madagasikara ankehitriny

Sôh’son

Tsy afak’olana ny firenena ao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao. Miseho lany izany ary miovaova eo ny endriny na ny karazany. Indraindray loza no mitranga, toy ny loza voajanahary, indraindray tranga mampamenatra firenena na maloto mihitsy miseho eo anivon’ny fitondrana. Raha nifanesy ny fihetsika tsy mendrika ataon’ireo olona sasany ao anaty fitondrana na miara-dia amin’ny fitondrana, dia miseho lany indray ity ny doro tanety amin’ny faritra samihafa. Ny manahirana dia ireo ala arovana mihitsy no lasibatra ary tandindonin-doza mafy ireo biby mampiavaka an’i Madagasikara.

Loza ity indray mandeha ity, fa tsy mbola nisy toy izao. Ambaran’ny mpandinika sarotiny amin’ny valan-javaboahary sy ny ao aminy, raha ny fahitany izany toe-javatra izany hoe: “mirehitra i Madagasikara” ankehitriny, “main’ny afo”. Zava-doza mamely ny firenena izany. Mahakasika izay, namoaka fanambarana ny ministera tompon’andraikitra, fa raha ny afak’omaly, nahatratra 1000 mahery ny afo nirehitra hitan’izy ireo manerana ny Nosy. Ny mahavariana ny maro, dia mbola miteny ihany ramatoa minisitra misahana ny tontolo iainana hoe: mbola ambany na kely miohatra ny tamin’ny taon-dasa ny faritra na ny velaran’ny ala may kilan’ny afo. Tena fiteny ve izany amin’izao fotoana izao nefa mbola ao anatin’ny ady? Sao dia hitovitovy tamin’ny nambara tany am-piandohana, fa tsy mahery vaika noho ny aretina hafa ny hiseho amin’ny fahatongavana sy ny fihanaky ny valanaretina coronavirus. Dia niaraha-nahita sy niaina anefa ny vokany avy eo.
Ankoatra izay, nanaitra ny sain’ny maro ihany koa ny zava-nitranga tao amin’ny valan-javaboahary Tsimbazaza (PBGT). Biby maro no maty noho ny aretina, izay tsy mbola fandre tao amin’io toerana io izany.

Miditra ao anatin’ny vanim-potoana mafana isika ankehitriny. Nambaran’ny eo anivon’ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetrandro, fa hihena ny rotsak’orana hatramin’ny faran’ny taona na volana desambra. Mitatao amin’izany ny fihenan’ny rano, ary hisy fiantraikany amin’ny tokantrano maro izany, no sady hahakasika ny fambolena. Ankehitriny efa manomboka miakatra indray izao ny vidim-bary. Dia hanao ahoana ny ho vokatr’izany satria hiditra amin’ny maitso ahitra isika. Sa hiàla bala indray ny fitondram-panjakana, ka hilaza fa vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro izany. Ity fitondrana Rajoelina ity mantsy anisan’ny tena hainy ny manilika andraikitra hatrany amin’ny zava-mitranga, fa tsy tompoandraikitra izy. Iaraha-mahalala izany ary iaraha-miaina, ho an’ny sarambabem-bahoaka, ny vokany hita izao.