NY LOKO LAORANJY

Ny loko laoranjy dia mila ovàna,
Fa efa tsy mety amin’ny eto an-tanàna.
Toa loko madera manaitra ny maso,
Kanefa dia lokon’iretsy malaso!

Ny loko laoranjy dia mila ovàna,
Fa mampitsilopy ny fanantenana.
Raha vao ny laoranjy no hoe iakanjoana,
Dia efa miomàna fa ho resy foana.

Ny loko laoranjy dia efa fanary.
Raha vao hoe laoranjy dia resy ny tary,
Ka dinidiniho f’efa mampidi-doza
Ity ‘lay sokajiana ho lokon’ny foza!

Ny loko laoranjy tsy hampisy “korazy”,
Fa resy daholo izay misalotra azy.
Toa tena mba loko madera jerena
Kanefa hay dia “lokon’ny faharesena”!

TSIMIMALO (10-10-22)