Vadin’i Mahery Lanto Manandafy – Nitory ilay vazaha nandrahona an’i Malama

Helisoa

Araka ny fantatry ny rehetra dia nampidirina amponja vonjimaika eny Antanimora i Mahery Lanto Manandafy, na i Malama, mpampaneno lakolosy ao amin’ny tambazotran-tserasera miandry ny fotoana hitsaràna azy. Vazaha no nitory an’i Mahery Lanto Manandafy, noho ny resaka nolazaina, fa fanalam-baràka natao taminy tao amin’ny tambazotran-tserasera ho mamatsy basy dahalo.

Araka ny nambaran’ny vadin’i Mahery Lanto dia nisy ny fandrahonana ho faty nataon’ilay vazaha ny vadiny tao amin’ny BC Anosy. Noho izany dia nandeha nametraka fitoriana ny vadin’i Mahery Lanto Manandafy omaly nefa tsy noraisin’ny teo anivon’ny BC Anosy (Polisim-pirenena) ny fitoriana, fa nasain’ izy ireo napetraka eny amin’ny fitsarana.

Mahagaga ihany ny zava-misy, satria raha ny fantatra hatramin’izay dia afaka mandray fitoriana hatrany ny Polisy na iza na iza mametraka izany. Saingy eto angamba vazaha ve ilay toriana dia tsy afaka noraisina, hoy ny fanontaniana hapetraky ny olona mpanaradia an’i Malama. Ny mahagaga dia tao amin’ny heloka an’habaka na Cybercriminalite ilay vazaha no nametraka ny fitoriany, nefa noraisin’ireto farany izany, izay nahatonga an’i Mahery Lanto Manandafy higadra. Misy zavatra tsy mazava izany, fa dia miandry ny tohin’ity raharaha mahakasika an’i Mahery Lanto Manandafy ity ny maro. Misy moa ny milaza fa misy resaka ambadika politika izy ity?