Kôlônely Rabe Jules, KMMR Toliara – Tsy mihemotra amin’ny ramatahoran’ny mpitondra

Stefa

Anaovan’ny fitondrana Rajoelina ramatahora koa amin’izao fotoana ny kôlônely Rabe Jules, mpitarika ny KMMR any Toliara. Rakotra mpitandro filaminana nanao « tenue civile » nanoloana ny tranon’i kôlônely RABE Jules, raha namory ny Jeunes KMMR distrikan’i Toliara I izy ny sabotsy teo, naka sary ny zava-nitranga teo izy ireo, hatramin’ny bus nitondra ny mpianatry ny Collège Rabe Jules, avy nanao reboisement sy excursion dia nalaina sary avokoa nefa tsy misy idiran’ny politika.

Rehefa nanontaniana izy ireo dia nilaza, fa manatanteraka ny baiko avy amin’ny lehibeny.
Aminay ilay izy hoy ny KMMR Toliara dia fampihorohoroana sy fihantsiana, satria ny « renseignements » dia tsy tahaka ireny ny fakana azy. Nanambara ny kôlônely fa: « izao fotsiny, matoa aho manohana an’i Marc Ravalomanana ary matoa nampahafantariko ny fisian’ny fivoriana ao an-tranoko dia vonona hijoro aho ary sahy satria miezaka tsy handika lalàna, tsy ny intimidation na fampitahoranareo no hampihemotra ahy, na hampihemotra ny olona manaraka ahy, tsy afeniko ny ahy ary ijoroako satria zoko izany, ka ho vizana ianareo satria ambarako anareo eto fa intelo isa-kerinandro izahay KMMR no mivory.

Isanandro colonel RABE Jules, no mandray olona, ka tsara raha andefasanareo mpitandro filaminana foana eny amiko. Ny MAMPALAHELO manjeky ny insécurité eto Toliara, tsy hitan’ny renseignements nareo zao ny mpanao ratsy, fa ny politique izay ataoko ary tsy afeniko, fa abaribariko ro manahira anareo. »