Marolambo faritra Atsinanana – Be ireo mpianatra tsy tafiditra an-tsekoly noho ny fahasahiranana

Stefa

Be ireo mpianatra tsy tafiditra an-tsekoly amin’izao fotoana any amin’ny distrikan’i Marolambo faritra Atsiananana, noho ny fahasahiranan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra, izany dia vokatry ny rivodoza namely teto amintsika tamin’ny fiandohan’ny taona ireny, hoy ny mpampianatra iray any an-toerana, Andriamatoa Boto Clement Christian Sylvèstre. Na eo aza ny ezaka ataon’ny mpanabe, misedra fahasahiranana koa izy ireo noho ny tsy fahampiam-pitaovana amin’ny maha-distrika saro-dalana ny distrikan’i Marolambo. Na izany na tsy izany anefa, niakatra ny voka-panadinana tany an-toerana tamin’ity taona ity, na teo amin’ny CEPE, na ny BEPC, tsara ihany koa ny voka-panadinana bakalôrea.

Eo amin’ny lafiny fampandrosoana, fanirian’ny any amin’ity distrika ity ny hanaovana tara, na vato ny lalana mankany, fa tsy atao “terrassement” na lalantany ihany fa ampitoviana tantana fotsiny, nefa rehefa ho tonga ny orana dia ho potika ihany izany. Tsy misy lalana ny mampitohy ny renivohitry ny distrika amin’ireo kaominina miisa 14 hafa. Tena mitoka-monina avokoa izy ireo, satria 25 km ny kaominina farany akaiky indrindra miohatra amin’ny renivohitry ny distrika, ary ny kaominina lavitra indrindra dia any amin’ny 99 km miala an’i Marolambo. Havokavoka ara-toekarena amin’ny faritra Atsinanana anefa i Marolambo, hoy ihany ny mpanabe Boto Clement Christian Sylvèstre, satria manana harena an-kibon’ny tany ny any amin’iny faritra iny, be koa ireo vokatra any an-toerana toy ny vary,… nefa tsy tafavoaka avokoa izany noho ny tsy fisiana, na ny faharatsian-dalana.

Vokatr’izany, miakatra koa ny vidin-javatra any an-toerana. Tokony hojerena akaiky koa ny resaka jiro hoy izy, satria efa ho enimbolana, izay vao niverina ny rianaratra any an-toerana, izany anefa dia miteraka fahasimban’ny fitaovana, sy tsy fahafahan’ny mponina manao ny asa samy hafa araka ny tokony ho izy.