Ho tapatapaka indray ny jiro – Hiato 4 andro ny famokarana rianaratra any Andekaleka

Niaina

Araka ny vaovao nampitain’ny avy ao amin’ny orinasa Jirama, hitsahatra mandritra ny efarana, ny famokarana rianaratra (courant electrique) any Andekaleka distrikan’i Brickaville faritra Atsinanana. Hiato tanteraka izany famokarana rianaratra izany, hanomboka ny zoma 14 Oktobra2022 izao amin’ny 10 ora alina, ka tsy hiverina raha tsy ny talata 18 Oktobra 2022 amin’ny 5 ora maraina, noho ny asa fanamboarana hahafahana mampifandray ny vondrona mpamokatra rianaratra faha4 amin’ireo vondrona hafa, ka hampakatra ny tanjaka vokarina hatramin’ny 120 MW.

Tsy maintsy hisy ny fahatapahan-jiro mifandimby amin’ny tambazotra iraisan’Antanananarivo mandritra io fotoana io, izay efa misy lamina manokana mikasika izany araka ny fanambarana. Noho izay antony izay, tsy maintsy hisy ny delestazy hifandimby amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo, hisy fikorontanana ihany koa ny famatsiana rano raha ny fanazavana.