Analamalotra Toamasina II – Tanin’olona titré borné no nametrahana vato fototra

Araka ny fanadihadiana lalina natao, tanin’olona titré borne, no nametrahana vato fototra tany Analamalotra Toamasina II. Ny zava-misy, ny ONG Saint Gabriel miaraka amin’ny Frera Karana dia efa resy teny amin’ny Fitsarana, fa nampiasa ny fahefana Mpanatanteraka tao anatin’izao fitondrana izao haka ny tanin’olona. Ny Minisitra rehetra nifandimby, eny fa na ireo Minisitry ny Fitsarana miisa 2 teo alohan’ny Minisitra Rakotozafy François, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana ankehitriny dia samy efa nitsipaka ny fangatahan’io ONG Saint Gabriel io, satria raharaha efa namoahan’ny Cour de cassation didim-pitsarana io raharaha io.

Toy izao ilay didim-pitsarana :
” cour de cassation « Chambre Civile, Commerciale et Sociale » a rendu la décision suivante (Pièce n°4)
– CASSE ET ANNULE SANS RENVOI l’arrêt civil n°CATO-331/CIV/11 du 02 Août 2011
rendu par la Chambre civile de la Cour d’appel de Toamasina;
– Ordonne la restitution de l’amende de cassation;
– Condamne la défenderesse aux dépens “.

Efa in-4 nanao fangatahaa interpretation ilay didim-pitsarana navokan’ny Cour de cassation teny amin’ny Minisitera ny ONG Saint Gabriel, saingy nolavin’ny Minisitra foana ny fangatahany satria raharaha efa namoahan’ny Fitsarana an-tampony didy . Ilay fangatahana interprétation nataony farany no natao antsokosoko ny desambra 2021. Ny nahavarina tamin’izany dia lasa nivadika chambre pénal no mandinika ilay didim-pitsarana kanefa dia didim-pitsarana civile hatrany amboalohany ilay izy.

Ny arrêt dia civile kanefa lasa ny cour de cassation pénale ary chambre de cassation pénale no mijery azy. Efa nisy didim-pitsarana teo alohan’io, izay nilaza fa tsy mahefa ny cour de cassation, satria raharaha efa voatsara ilay izy.

Efa imbetsaka notsaraina teo anivon’ny cours de cassation io ady tany io kanefa dia nofohazina tampoka teo. Lasa nivadika raharaha ady heloka ilay raharaha ady madio, izany hoe lasa mampigadra. Tao anatin’izany no nilazana indray, fa misy ” olana ara materialy hono. Dia satria rehefa misy olana ara materialy, amin’ilay raharaha ady madio navadika ho raharaha ady heloka dia naverina teo anatrehan’ny cour de cassation indray, io raharaha io. Naverina notsaraina tampotampoka indray, satria nisy baiko nilatsaka avy any amin’ny Faratampony nitenenana ny Ministeran’ny Fitsarana sy nitenenana ny Premier Président an’ny cour de cassation (PPCS), nanome baiko azy fa hoe lasa omena ny Katolika indray ny tany. Noho izany, voatery notsaraina faran’izay haingana ilay raharaha, ka navadika nefa raharaha efa vita tsara teo aloha. Efa nanapaka ny Fitsarana tamin’io andro io, fa ahemotra amin’ny 04 Octobre 2022 ny raharaha, fa tsy ho tsaraina ny andron’io. Efa nosoratana tao anatin’ilay boky mirakitra ny raharaha na ny Plumitif mihintsy aza io fapahan-kevitra fanemorana io. Efa lasa nandeha nivoaka daholo ny olona no nantsoina niverina indray, ka nolazaina fa hoe MISY BAIKO MILATSAKA, FA TSY MAINTSY TSARAINA ANDROANY DIA ANDROANY IHANY ITY RAHARAHA ITY “.

Iaraha-nahita ny zava-nisy taorian’izay, satria dia tonga tany Analamalotra Toamasina ny filoham-pirenena, ka teo amin’ny tanin’olona Titré Borné no nametrahany vato fototra niaraka tamin’ireo filoham-piangonana katolika.

Araka ny loharanom-baovao dia tsy misy nidiran’ny resaka Katolika mihinsy io tany io tany amboalohany, fa rehefa tsy nahazo fandresena teny amin’ny Fitsarana ilay Frera Karana dia noentiny tamin’ny anaran’ny Katolika, ka izao nanaovany intervention tany amin’ny Faratampony izao hanao tsindry ny FITSARANA.

Efa nanadihady tsara ve, sa nofitahan’ilay Frera Karana sy ny olona manodidina azy ny filohampirenena tamin’ity raharaha ity?