Filoha Ravalomanana tany Toamasina – Hataovy afisy amin’ny biraom-panjakana rehetra ny lisi-pifidianana

Helisoa

Tontosa ny sabotsy teo tao amin’ny Magro Tanambao V ny fankalazàna ny faha20 taona ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) tao Toamasina. Tonga tany an-toerana nanatrika ny fotoana ny filoha Marc Ravalomanana sy ny birao politika nasionaly ary ireo solombavambahoaka. Vory lanona ireo mpikatroka ao amin’ny antoko TIM manerana ny faritanin’i Toamasina, izay notarihan’ny filoha lefitra nasionaly Randriantsalama Jacky sy ireo birao mitantana ny TIM ao Toamasina, tarihan’ny filohany Naina Andrianiarifera, nandrindra ny fanatontosana ny hetsika.

Nandritra ny fankalazàna dia tonga avokoa ireo solonten’ny distrika mandrafitra ny faritanin’i Toamasina, izay avy any amin’ny faritra alavitra andehanana tongotra an-kilaometatra maro noho ny faharatsian’ny lalana. Tokana ny fanambaràna nataon’ireto farany nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’ireo mpikatroka isaky ny distrika. Mirotsaha ianao prezidà ho filoha hanavotra ny firenena, fa tena mijaly ro zahay vahoaka Malagasy ankehitriny. Tsy misy zavatra mandeha intsony eto, fa izay tian’ny fitondràna ihany no atao eto.

Faly aho tena faly hoy ny filoha Marc Ravalomanana raha nandray fitenenana izy: mihaona aminareo tonga marobe mandritra ny fankalazantsika ny faha20 taona ny TIM eto Toamasina. Tsy afaka mijery fotsiny isika hoy ny filoha Ravalomanana, fa tsy maintsy mijoro, sahy hanarina ny firenena indray. Mila mailo, mailo ary miray hina amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Notsindriany fa tokony hatao afisy nap eta-drindrina amin’ny biraom-panjakana ny rehetra ny lisi-pifidianana, ho fanajana ny mangarahara ho fantatry ny rehetra, tsy tokony ho tsiambaratelo izany lisitra izany hoy izy.

Fa mbola namafisin’ny filoha Marc Ravalomanana nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony, fa tsy ekena ny rafitry ny CENI sy HCC amin’izao endriny izao, izany hoy izy no tsy maintsy hanaovana ny fikaonandoham-pirenena handraisan’ny rehetra anjara. Fa taorian’ny fihaonana dia nisy ny fijerena miaraka an-tsary ny zavabitan’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny antoko TIM nandritra ny fotoana nitondràny, sy ny tantaran’ny antoko Tiako i Madagasikara.