Politikam-pitondrana – Tsy voaaro ary tsy voatsinjo ny hoavin’ny zaza malagasy

Sôh’son

Lesoka lehibe amin’ny fitantanam-pirenena entin’izao fitondrana Rajoelina izao ny seha-panabeazana. Tsy misy ary tsy hita mihitsy izay politika mazava, momba ny seha-panabeazana ny tanora malagasy nataony hatramin’izay nahateo amin’ny fitondrana azy. Ny tsikaritra, dia rehefa amin’ny fotoana iray manokana misy hetsika tanora amin’ny sehatra samihafa, ka tonga eo na misy ifandraisany amin’izy ireo ny mpitondra, indrindra ny filohan’ny Repoblika, dia izay vao mody be resaka sy programa momba azy. Dia mivalona any indray ary adino izy ireo aorian’izay fihaonana izay.

Toy izay ihany koa ny momba ireo zaza malagasy. Misy ny hetsika atao rehefa volana jona iadiana na anentanana ny zon’ny ankizy, dia misehoseho sy miteny eo ny mpisehatra amin’izany, dia aorian’izay mangina. Nisy fidiran’ny mpianatra tamin’iny volana septambra lasa iny, dia mody misehoseho eo ny fitondrana milaza ho manao izay hampidirana ny kilonga na ireo zatovo ihany any an-tsekoly. Mody natao ny fanampiana ara-pitaovana ny mpianatra tamin’ny sekoly sasantsasany, dia hatreo ihany. Vao nanomboka andro vitsy monja anefa dia niharihary ireo zaza tavela tsy tafiditra an-tsekoly noho ny antony samihafa, fa ny voalohany amin’izany dia ny fahasahiranana na ny fahantrana lalina manjo ireo ray aman-dreniny. Manginy fotsiny ny fahitana ireo zaza mirenireny eny an-dalàmbe rehetra eny sy mangataka isan’andro. Tsy mijery ary tsy misy miteny ary tsy ahitan-teny momba izany izao fitondrana be eboebo izao. Tsy misy miady ho azy ireo momba izany, ary miharihary tsara ny fahabangana lehibe eo politikam-pirenena. Izy ireo anefa no anisan’ny andry lehibe iankinan’ny hoavin’ity firenena ity any aoriana.

Eo amin’ny lafiny fitaizana ara-batana na ny ara-panatanjahantena ho an’ny zaza, ny zatovo ary ny tanora malagasy. Raha tsy hilaza afa-tsy ny eny amin’ny sehatry ny sekoly fotsiny, dia miharihary tsy takon’afenina ny fahabangana. Tsy re intsony, ohatra, na tsy malaza intsony, hafa ny taloha, ny momba ny “sport scolaire”. Nisy akony lehibe teo amin’ny toe-tsain’izy ireo anefa izany, ary azo porofoina izany ho an’ireo voataiza amin’izany fahiny. Tsy atao hahagaga raha tsy voafehy, ka hirona amin’ny zavatra hafa ny ankizy. Anisan’izany ny tranga amin’ny firoboroboan’ny fidorohana zava-mahadomelina mamely ny maro amin’izy ireny, ary misy ireo efa namoy ny ainy vokatry ny daozy tafahoatra. Sady tsy voaaro no tsy voatsinjo ny hoavin’ireo zanak’ity firenena ity. Alefa migorodana fotsiny manaraka izay fironana samihafa araka izay misy eo na eto an-toerana na any ivelany, dia samy manao izay saim-pantany sy heveriny hahatafavoahany amin’ny fiainany eo ny rehetra.