Tranga – Nirehitra koa ny ala tany Isalo

Stefa

Azo lazaina fa mirehitra mihitsy i Madagasikara manontolo amin’izao fotoana izao, noho ny firehetana ala amin’ny toerana maro samihafa eto amintsika. Tao aorian’ny firehetana tany Ankarafantsika, Soalala, Menabe Antimena, Ankaratra, fantatra izao fa may koa ny ala tany Isalo, toerana anisan’ny mahasarika mpizahatany ihany koa eto amintsika. May afak’omaly alina ny ilany havanana amin’ny toeram-pandraisam-bahiny Relais de la Reine d’Isalo.

Araka ny vaovao voaray, tsy nahazo ny Park ny firehetana, fa ny manodidina ny Relais de la Reine de l’Isalo no may kila. Niparitaka mianatsimo atsinanana ny afo. Manao ny fanadihadiana amin’izao ny tompon’andraikitra, mbola tsy fantatra ny tena fototra nahatonga izao afo izao.